Marc Ravalomanana 2016. Toerana novangiana. Gazety Tia Tanindrazana.

ravalo-eny-an-tsena-1

Marc Ravalomanana Vonona amin’izay hitranga

28/12/2016

Nanamarika ireo fitsidihana nataony ny fahitana hatrany ny fankafizan’ireo vahoaka manerana ny Nosy azy. Nisisika hiaraka haka sary aminy ny olona tamin’ireo toerana nolalovany, indrindra ny tanora.

Taorian’ny fitsidihana nataony tany ampitan-dranomasina ka nanatrehany ny fivorian’ireo aziatika mpiara-miasa amin’ny Asian Infrastructure Investment Bank (AIIB), fikambanambe ao Azia ao dia ny fijerena ireo tanora nitady asa teny Ankorondrano indray no nisantarany ny fiverenany ny volana mey 2016.

Fivoahana ny renivohitra nataony voalohany kosa anefa ny fijerena ny zava-nisy tao Fianarantsoa. Taorian’ny fitsidihany an’i Toliara ny volana jona ihany izy no mba niato kely saingy ny volana aogositra mandra-pahatonga ny volana novambra teo kosa dia tena nitohivakana indray ny fitetezam-paritr’ity mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ity. Faritra maro no voatety tao anatin’ny efa-bolana toa an’Ambondromamy, Mahajanga, ny tany amin’ny faritr’i Sofia, Antsirabe, Maroantsetra, Mananara Avaratra, Toamasina, Brickaville, Vatomandry, Anjozorobe, Sambava.

Tsy mipetrapetra-poana, araka izany, ity mpanao politika ity fa efa mijery ny zava-misy, mihaino ny fitarainan’ny vahoaka ary matetika dia namaha olana avy hatrany sahady mba hahafahana mametraka paikady hanavotana ny firenena. Fa nanamarika ny asany tamin’ity taona 2016 ity koa ny fihodinan’ny orinasa Tiko AAA sy ny fisokafan’ny tranombarotra AAA Magro mivarotra ny vokany eo Behoririka sy Tanjombato ary ny fanomezany lanja ny vita malagasy, iasany miaraka amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana.

Teo amin’ny sehatry ny finoana, dia i Marc Ravalomanana no voafidy ho filohan’ny komitin’ny jobily faha-50 taonan’ny FJKM sy ny faha-200 taona ny nidiran’ny Filazantsara teto Madagasikara araka ny tapaka nandritra ny Synaoda lehibe FJKM faha-18 natao tao Antsirabe ny volana septambra 2016.

Teo amin’ny lafiny politika dia ny nanaovany fanambarana fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izy, ary miandry ny daty ofisialy hanatanterahana izany. Nikoropaka ny mpitondra ankehitriny taorian’io fanambarany io sy manoloana ny fitetezam-paritra ataon’i Marc Ravalomanana ary koa mahita ny olona maro be hatrany mirohotra mitsena sy mifampiresaka aminy amin’izay toerana alehany, ka mihazakazaka mitety faritra ihany koa mamoron-javatra hisehoana vahoaka na tsy dia maveza-danja aza.

Mirija. TiaTanindrazana.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s