Fanjakana Gasy sy Sinoa,Vita sonia ny Fifanarahana. Aiza ny mangarahara?

Mba tsara fantatry ny Malagasy rehetra ny Fifanarahana Fiaraha-miasa miaraka amin’ny Sinoa …

… satria maro no miahiahy !

Na ny soratra eny ambony latabatra (anarana, andraikitra ?) aza efa amin’ny tenin-tsinoa !

Alefaso ao amin’ny pejinareo Ministère des Affaires Etrangères mba hisian’ny mangarahara, azafady !

sinoa-fifanarahana1

sinoa-fifanarahana3

sinoa-fifanarahana2

Jean-Luce Randriamihoatra

Madagasikara Ahiana ho lasan’ny Sinoa

09/01/2017

Mivahiny eto Madagasikara nanomboka ny sabotsy 7 janoary 2017 lasa teo ny minisitry ny raharaham-bahiny Sinoa Wang Yi.

Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta efa nisy hatramin’ny taona 1972 izao fahatongavan’ny lehiben’ny fifandraisana iraisampirenena sinoa izao, hoy ny lehiben’ny diplaomasia Malagasy Atallah Béatrice. Niroborobo be rahateo ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy Chine entim-bahoaka hatramin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Ny firenena sinoa rahateo no nanampy betsaka ny fitondrana tetezamita rehefa tapaka tanteraka ireo tohana ara-bola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra.

Orinasa Sinao 800

Mpiara-miombon’antoka ara-barotra voalohany amin’ny firenena Malagasy moa ankehitriny i Chine izay manana orinasa 800 mahery miorina miaraka amin’ny teratany sinoa 6 alina monina eto Madagasikara. Efa mahatratra hatrany amin’ny 740 tapitrisa dolara ny fampiasam-bolan’ny sinoa manerana ny nosy ary ahitana azy ireo avokoa ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, fanamboarana fotodrafitrasa, ny fandraharahana, raha ny tarehimarika farany. Mitentina 1,1 miliara dolara kosa ny hadirin’ny fifanakalozana eo amin’i Madagasikara sy i Chine raha 746 tapitrisa dolara ny fifandraisana ara-barotra Malagasy sy frantsay ny taona 2015, hoy ny Tahirimbola iraisampirenena.

Re fa mbola miliara dolara maro no kasain-dry zareo Sinoa ampiasaina eto Madagasikara amin’ny sehatr’asa maro. Tsara homarihana fa fiaraha-miasa tamin’ny Sinoa no nahafahan’izao fitondrana HVM izao nanao ny lalam-baovao nandraisana ny frankôfônia ary mbola misy ilay tetikasa goavana fanamboarana Autoroute Antananarivo – Toamasina nosoniavina niaraka tamin’ny Sinoa. Faritra maro eto Madagasikara ihany koa no ahitana Sinoa manao fitsirihana fa hoe hitrandraka harena ankibon’ny tany. Tena manam-bola ny Sinoa satria mahatratra 3 000 miliara dolara no tahiry ao amin’ny banky foiben-dry zareo ka tena maivana aminy aloha raha ny hoe hampiasa 2 miliara dolara eto Madagasikara fa na hovidiany ambongadiny aza ity firenena ity ho azony, indrindra fa raha tia tena sy tsy mijery lavitra ary tsy mahay mifampiraharaha ny mpitondra.

Ramano F. TTanindrazana

Fitrandrahana volamena ataon’ireo sinoa. Fanadiadiana : malagasy maro no maty. Ministra sinoa, aiza ny fanjakana ?

Exploitation aurifère à Mananjary : Inertie des autorités compétentes

Miandry fitsaram-bahoaka ve vao hietsika ny Fanjakana ?

Ho lany tamingana ny omby sy ny olona.

Ho lany tamingana ny omby, satria dia sady tsy hisy tany Kijana ho azy no sady terena homena ny vidina ao am abbatoire Sinoa ao Ankily Ihosy.
Omby eo @ 70 isan’ andro no vonoin’ ny Sinoa ao, ka raha 10 andro da efa ho 700 izay, raha iray volana da 2.100 omby … ary raha herintaona dia … ??? io dia tsy mifidy vonoina, ny eny vontovorona indray dia 150 omby isanandro, afa-tsy ny alahady ihany jereo ireo sary ao ambany ireo, ny lohany sy taovany dia efa misy malagasy mpandray, ny ambiny alefa any chine. Rivolala Rajoelina  (FB).

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

2 commentaires pour Fanjakana Gasy sy Sinoa,Vita sonia ny Fifanarahana. Aiza ny mangarahara?

  1. Rakotoson dit :

    Le chinois a allongé quelques milliards d’ ariary – ou de yuans – pour entretenir le ministère des Affaires Etrangeres dont la construction remonte aux années 60 . Déjà , la mère Béa a octroyé à titre de remerciement et de gratitude pour ce geste ô combien  » généreux  » ( sans arrière pensée aucune ) des passeports malgaches aux ressortissants chinois qui viendront investir à Madagascar avec leurs compatriotes comme ouvriers . J’ en ai vu dernièrement un grand nombre à l’ aéroport de Tamatave .

    En échange de quoi , les chinois viendront investir à Madagascar notamment dans l’ exploitation de notre sous – sol . Les mines aurifères notamment . Et , dans bie d’ autres secteurs également

    Question à 100 ariary . Dites – moi laquelle des deux parties gagne le plus dans ce troc qui n’ a pas son pareil dans le monde entre un pays développé et un pays sous développé .

    ?? ? ?!!!!

  2. Rakotoson dit :

    Avec de telles largesses , les autorités chinoises devraient ouvrir grands leurs petits yeux. Avec le silence complice de la mère Béa , quant à la situation au cours de ces dernières années des boursiers malgaches en Chine , elles – les autorités chinoises en question – devraient faciliter les conditions de vie et d’ études de nos compatriotes en Chine au lieu de penser toujours à offrir des royalties énormes à leurs collègues malgaches pour faciliter leurs investissements à Madagascar . Avec l’ exploitation – sauvage de nos gisements aurifères souvent sans permis d’ exploitation , les chinois ne pensent qu’ à consolider leur statut de première puissance économique mondiale qu’ ils sont en train de ravir aux Américains .

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s