« Mihorohoro i Madagasikara ». Taratasy ho an’Atoa Rajaonarimampianina, Rangorindralesoka Zanakandriana‎.

Rangorindralesoka Zanakandriana 

Mafy sy naharitra tokoa iny horohorontany tamin’ny 1ora sy 10 mn maraina teo iny. Marobe ireo Malagasy lasa narary fo tampoka tao ampandriana sy velompanontaniana. Fa inona daholo ity loza mahazo an’i Madagasikara ity? Arabakiteny dia « mihorohoro » ny tany eto Madagasikara, tsy ny vahoaka Malagasy sy ny biby sy ala ihany akory no mihorohoro fa ny tany eto Madagasikara koa.

Atoa Filoha Rajaonarimampianina ô! , mihorohoro ny vahoaka isaiky ny mahita ireto sinoa mitilitily tany hovidiana na hitrandraka harena ankibon’ny tany ; mihorohoro ny ala isaiky ny mahita ireo mpitevy bolabola sy andramena haondrana any Azia; mihorohoro ireo Malagasy nanajary ampolotaona maro ny tany sy efa nanorina fasandrazana eo mahita ireto Karàna milaza ho tompon’ny tany araka ny taratasy avy amin’ny sampandraharahan’ny fananantany otronin’ny foloalindahy mitambasy; mihorohoro ny trondron’Ikopa sy ny renirano maro ary ny tantsaha noho ny fihenan’ny rotsak’orana; mihorohoro ny reninjaza any ambanivolo rehetra any satria arian’ny sinoa amin’ny renirano hampiasain’ny vahoaka ny mercure avy nitrandrahana volamena ka mety hiteraka homamiadana; mihorohoro ny tompon’omby noho ny afitsoky ny dahalo izay mangalatra omby hanomezana fahafahampo ny tsena aziatika; mihorohoro ny ala arovana noho ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy dorotanety izay tsy nahitana fanafana mandrak’ankehitrio; mihorohoro ny tanora malagasy maro noho ny tsy fahitana asa sy ny risoriso amin’ny fanadinampanjakàna; mihorohoro ny Malagasy maro noho ny hanoanana ; mihorohoro ny sokatra sy tanalahy sy bibindrano maro raha mahita ireo sinoa manondrana antsokosoko azy ireny any chine; mihorohoro ireo mijoro ho Malagasy manoloana ny fandorana sy fangalarana ny vakoka malagasy toa ny rova sy lapa sy satroboninahitra izay mbola « mitohy ny famotorana » ; Mihorohoro ny Malagasy tsy vakivolo mahita ireto sidina abakabaka tsy miato mitatitra ireto vahiny mirebareba akanjo mainty avy any Turkia sy ny forongony; mihorohoro ny tokantrano isambaravarana isaiky ny delestazy satria potika ny fihariana no manararaotra ao anaty aizina ny mpanao ratsy ary mihorohoro ireo lasanko-razana noho ny halatra taolampaty izay tsy mbola nisy ati-doha mikotrika izany mba voaenjiky ny fanjakàna ankehitrio. Mihorohoro i Madagasikara.

Mihorohoro i Madagasikara satria voaotafady noho ny fanaovan’ny vahiny sy Malagasy maty eritreritra tantely afadrakotra ny firenena ka mitarika fanapotehana ny tontolo iainana sy tsy fisian’ny fahamarinana sy fampiasana herin’ny maizina ary ny fibodoan’ny vahiny ny tany. Manamafy izahay fa tena loza sy ozona hoan’ny Madagasikara ny famelàna ny vahiny hahazo tany eto Madagasikara sy hitrandraka ny harena ankibon’ny tany eto amintsika satria foin’i Andriamanitra Andriananahary hoantsika Malagasy iity nosindrazantsika ity mba hiadanan’ny Malagasy fa tsy hataon’ny vahiny sy ny Malagasy mpiray petsapetsa aminy tantely afadrakotra akory. Rangorindralesoka Zanakandriana 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s