Vol et profanation-Ambohidratrimo, J-Luce Randriamihoatra. Aiza ny Fanjakana ?

Jean-Luce Randriamihoatra. 12/01/2017.

#Raharahambahiny #Tanintsika #Sinoa #Karàna

TENY ANOSIALA, AMBOHIDRATRIMO IZAHAY

Araka ny nampanantenainay efa-bolana izay, dia niverenanay io antoandro io iny toerana fanapoaham-bato eny Anosiala iny.

Lasan’ny Sinoa sy ny Karana ny toerana, hoy ireo Mponina.

Efa totofan’ny Sinoa ny tanimbary sasany (izay an’ireo tsy salama saina etsy Anjanamasina hoe).

Efa nofongarin’ny Karàna ny Razana tamin’ireo Fasana teny an-toerana, ary dia tsy hay hoe natao aiza … fa dia namonoana omby, natrehan’ireo niady Fasana tsy niaraka tamin’ny Fokonolona.

Kamiao vitsy no tazanay miasa eny …
… fa toa hoe mitatitra tany hanotofana eny Andranotapahana ?

Ho Vahiny amin’ny taniny ny Malagasy atsy ho atsy !

ambohidratrimo-jean-luce-r1

ambohidratrimo-jean-luce-r2

ambohidratrimo-jean-luce-r3

ambohidratrimo-jean-luce-r4

ambohidratrimo-jean-luce-r5

Tsy manam-panahy.

Halatra sy fanitsahana ny maha-Malagasy ary indrindra, eto akaiky ny Renivohitra ny loza.  Tsy azontsika vinaniana akory ny halatra be vava any aminy faritra any. Fampitahorana, basy mandehandeha, milisy voakarama, mpiasapanjakana voavidy… Ireo mpitondra izay manapi-maso (Filoha, PM, ministera isan-karazany…), satria tsy mijery vahoaka sy ny Tanin-drazana dia iray petsa miaraka amin’ireo vahiny mpangalatra sy mpanageja. Miaina ao anatin’ny « Vola, Voninahitra sy v… » tokoa ireo ka tsy mahatsiaro ny fahoriam-bahoaka. Ny saina mety misy kely fa ny fanahy tsy ao aminareo. MCM.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s