Manatrika ny Fanompoam-pivavahana ho fangataham-pitahiana ho an’ny taom-piasana 2017 sy ho an’ny Filohan’ny FJKM sy ny ankohonany ny #Gazety_Fitia
–





FJKM Hanangana Fiangonana 500
16/01/2017
Tontosa soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana nentina hitrotroana am-bavaka ny taom-piasana 2017, notanterahin’ny Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara na ny FJKM teny amin’ny Coliseum Antsonjombe omaly. Vao tamin’ny 9 ora mahery kely dia efa tomefy olona teny an-toerana ary nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana noho ny fahamaroan’ny olona niatrika izany.
Vina sy foto-kevitra lehibe tapaky ny FJKM nandritra ny synaoda lehibe tany Antsirabe ny hoe “vontoso filazantsara I Madagasikara” ary hihamafy isan-taona ny asa amin’izany. Mananika ny 6700 ny fiangonana FJKM eto Madagasikara ary mahatratra 407 ireo kaominina tsy mbola voarakotra amin’izao fotoana izao, izay katsahina hasiana fiangonana ao anatin’ny 4 taona. Miisa 1000 ny fiangonana afaka manampy amin’ny fananganana izany, ka raha alefa tsiroaroa ireo dia mahatsangana Fiangonana vaovao 500, raha ny fanazavan’ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa, Filohan’ny FJKM. Nitondra fanazavana sy nitaona ny mpino tsy ho diso hevitra ihany koa ny tenany, ka nanamafy fa mitaona ny olona ho an’i Jesosy Kristy no adidy masina himasoana, fa tsy hoe mitaona ny olona ho FJKM. Tsy nihambahamba ihany koa ny tenany nilaza fa ny fanaovana tafika masina dia tokony ho any amin’ny tany tsy mbola misy Andriamanitra, ka mila hitondrana fanatsarana ny fanao teo aloha izay toa mipasoka ny efa malama ihany, raha jerena amin’ny fomba nisafidianana ny toerana.
Nitondra torohevitra amin’ny fomba hoenti-mitory sy mampita ny tenin’Andriamanitra izy, ka nanoro hevitra hoe ataovy tsotra satria Jesosy kristy raha nitory dia tamin’ny fomba tsotra. Mikasika ny tsy tokony hampiasana ny tablety sy finday any am-piangoanana izay mahatonga ady hevitra, dia nanamafy ny Filohan’ny FJKM, fa mba hahafahan’ny mpino tena mifantoka amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, fa tsy ho halaim-panahy amin’ny zavatra hafa no tanjona. Izaho tsy milaza hoe foano na ario ireny fa rehefa mba any am-piangonana dia mba tena ny baiboly sy fihirana taratasy no tokony hoentina, hoy ny mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa.Nanatrika ny fotoan-dehibe teny amin’ny Coliseum moa io omaly io nyfiloha Hery Rajaonarimampianina izay nilaza fa vonona ny tenany, izay mpino FJKM hanampy amin’ny fanaparitahana ny filazan-tsara.
Toky R. TiaTanindrazana.
–