MBS. Fito taona mbola tsy avela misokatra. Ny TVM, RNM lasa HVM. Misaina ve ireo tompon’andraikitra ?

Haino aman-jery MBS : Ankasitrahan’ny fitondrana ny fisokafany fa amin’ny anarany hafa

par gvalosoa – jan 14, 2017

Maniry toy ny anana ny haino aman-jery eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao ary saika mivoy ny fitondrana avokoa izy ireo. Tsy misy olana izany saingy tokony tsy mety raha tsy avela hisokatra sy hanaovana fingampingana ny haino aman-jery hafa izay efa nisy taona maro tany aloha.

Ny MBS dia anisan’ny tsy mbola mandeha hatramin’izao. Dia hoy ny fanamarihan’ny maro manao hoe : dia milamina ve ny feon’ny fieritreretan’ny sasany manoloana ny Radio sy Tele hafa izay tsy mandeha. Fa maninona ny Malagasy no mimenomenona ankehitriny ? Ny dikany dia tsy ny fahamaroan’ny Radio sy Gazety sy Tele mandokadoka akory no midika inona ary lasa poizina rehefa tsy araka ny tokony ho izy ny fampiasana azy.

Misy ny feo re fa mety ho avelan’ny fitondrana hisokatra ihany ny MBS fa tsy amin’izay anarana izay no tian’izy ireo handrenesana an’izany raha misokatra fa haino aman-jery amin’ny anarany hafa. Ho an’ny tompon’andraikitra tao amin’ity haino aman-jery MBS ity, efa izay no naha botrabotra azy dia izay ihany no tian’izy ireo ho anarany raha hosokafan’ny fitondrana soa aman-tsara ihany, io anarana io ihany koa no efa nahazoany fahazoan-dalana nisokafany na nodoran’ny mpanongam-panjakana aza tamin’ny taona 2009 ireny.

Rina Rabemananjara

https://web.facebook.com/photo.php…

mbs-mandroso-randria

Mandroso Randria 

 –

Ny toe-tsaina maloto taminy 2009 dia mbola mitoetra aminy malagasy sasany. Ireo mpitondra amin’izao fotoana indrindra. Mpihetraketraka, mpanao kolikoly, mpandainga, feno fitaka ny teny avoaka, tsy mijery na mitsinjo ny sahirana, tia tena, mpangalatra. Mandeha miangona sy milanja Baiboly anefa rehefa tonga ny alahady ! Etsy andaniny mahamenatra sady mampalahelo ny niafaran’ireto malagasy tsy vaky volo : Mahantra fadiranovana, maloto, tsy misy jiro, tsy misy rano, mifamono (fitsaram-bahoaka), lasa manary dia aminy zavatra tsy mampandroso (toaka, jangajanga…). Tsy afaka manao tora-po akory na mba milaza ny alahelony (tsy misy haino aman-jery ho azy ireo).

Very fanahy ny maro dia manaonao foana : dokotra roa vé dia tonga ny fitsaram-bahoaka ! Ny nanodina milara amin’izay tsy azo kitihina.  Rehefa vahiny anefa dia mihazakazaka (be zeste). Voazanaka tanteraka ny toe-tsaina, kanefa ange tsy ho vazaha  rahoviana fa gasy be daholo. Ovay amin’izay ny famindra raha mbola olom-belona ihany. MCM.

vindicte-pop

vindicte-populaire-partout

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s