« Ny Tanindrazako izao », Christiane Ramian.

carte-monde-madagascar

.

Ny Tanindrazako izao

 

Onena ny fo noho ireto kilonga
Miaina tsy satry amin’ny fahantràna
Mijojo miharatsy fa tsy mba misonga
Lavitry ny fandrosoana iandrandrana

Taonjatom-pivoarana maneran-tany
Kanefa ity miady mba ho afak’hisotro
Ny loharano aza moa efa ritra sy lany
Ny hetaheta tsy voaalan’ny trotro.

Manginy fotsiny ny jiro sy ny aratra
Maizindava mazàna tsy misy fanafana
Tsy afa-milalao sady tsy afa-mianatra
Tsy misy rano ihany koa hisasàna. ..

Mangasihasy mijery ireo mpanana
Misotro sy manitra madio fitafy
Mahavita enti-mody sy madio tanana
Tsy mba mitaintaina na miafiafy…

Manakory ary re izany fahagolan-tany?
Tsara sy kanto ilay tanindrazana…
Fizao tsy mitsaha-mihemotra hatrany
Maloto sy rotika ary tena ngazana

Rahoviana vao sendra mpitondra mahay
Handray ny tanana ka hiaraka hanarina?
Hanangana ireny efa rava sy may
Hijoro sy hanaja ary hanao ny marina?

Valo taona izay no resy ny firenena
Namonjy laharana faran’ny gisitra
Tsy kivy anefa fa mbola manantena
Hivadika ihany ny laharan’ny lisitra.

Izao.

(C) Christiane Ramian

Reny malagasy. Ph Manja Nosy

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s