CUA-Antananarivo 17/01/2017. Antanimbarinandriana. Haban-tsena.Boriborintany voalohany.

CUA - Antananarivo.

Tonga teny Antanimbarinandriana ny Ben’ny tanana, Rtoa Lalao Ravalomanana, « Betsaka ireo tsy manara-dalana »

ANTANIMBARINANDRIANA BETSAKA IREO TSY MANARA-DALANA

Tsy maintsy manara-dalàna daholo na ny vahoaka ,na ny fanjakana. Tsy manaiky ny fanotofana an’Antanimbarinandriana ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra.
Betsaka ireo mpandika lalana tato ato ka ny kaominina Antananarivo sy ny Ben’ny Tanàna foana no mahazo loza. Raha ny resaka fanotofana tany izay efa nahitana ady hevitra tato ato dia marihana fa tsy misy ny fahazoan- dalana azo avy aty amin’ny kaominina mikasika ny fanatotofana ; nanapa-kevitra ny Ben’ny Tanana fa tsy azo anariana rano tany sy tsy azo totofana ny tany raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Kaominina ;Raha nanao fidinana teny ifotony izy androany . Ary asiana ny fefy sy ny soratra apetraka eo amin’ny tany fa tsy azo kasiana ny tany fa any kaominina.


Ankoatr’izay dia misy koa ireo fanorenana 2 sy fanotofan-tany tsy ara-dalàna hita mihorina eo Antanimbarinandriana tsy misy fahazoan-dalana araka ny arrêté municipal 2015-052. Marihana fa mpiasa ato amin’ny kaominina ihany ny nanao izany, ny sasany efa tranainy, ny hafa kosa mbola amperin’asa ary tamin’ny androny PDS Edgard Razafindravahy no nahazoany ny tany .Hisy ny didim-pitondrana izay avoaka amin’ny fandrodanana.


Tsy vitan’izay ihany fa misy koa ny fanorenana tsy misy fahazoan-dalana ao anatin’ny EPP Antanimbarinandriana nefa ny Epp sy ny tany dia an’ny kaominina . Nanapa- kevitra ny Ben’ny Tanàna hampiato ny fanorenana satria tsy misy ny fanara-dalàna, koa miandry izay fahazoana taratasim-panorenana ara-dalàna avy amin’ny kaominina ,tsy misy ny vahoaka sy fanjakana fa samy manara-dalana daholo ,isika indray ve no hitarikany vahoaka handika lalàna.
Noho izany dia hisy ny fifampiresahana eo amin’ny kaominina sy ny roa tonta mikasika ny fanorenana ao amin’ny EPP.

Arp Helisoa

Tratra ihany koa nandritra ny fidinan’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana teny Antanimbarinandriana fa nisy mpiasan’ny CUA nanorina trano ao anaty lobolobo izay tsy aradalana eo ami’ tanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra . Tsy maintsy ho ravana io trano io

 

Isika Namana Cua Serasera

Namory ireo mpandray haban-tsena ny Talata 17 janoary 2017,Rtoa Lalao Ravalomanana Ben’ny tanànan’Antananarivo. Nanatrika io fivoriana io ny avy amin’ny tsena Ambohimanarina, Andrianjaka, Andravoahangy, Petite Vitesse, Ambodin’Isotry,Anosibe, Coum 67 Hectares ary Namontana. Tao ihany koa ny Tompon’andraikitra ao amin’ny Trésor Municipal sy ny Régisseur Central. Novakiana bantsilana fa tsy misy ny quittance avy amin’ny tranom-printim-pirenena, ka mahatonga ny tsy fidiran’nyhaban-tsena. Namela trosa ben y PDS teo aloha satria mahatratra 90 tapitrisa Ariary ny trosany amin’ny kaominina. Ny mahagaga anefa dia nahazo ny subvention avy amin’ny fanjakana ny PDS teo aloha, koa tsy rariny raha ny kaominina no mizaka izany ankehitriny. Zo nomena ny kaominina ny subvention avy amin’ny fanjakana foibe, saingy efa hatramin’ny taon-dasa no tsy narotsany izany.


An-koatra izany dia betsaka loatra ireo fikambanana samihafa misy amin’ireny tsena eto an-drenivohitra ireny, ary samy mitaky vola amin’ny mpivarotra avokoa an-koatra ny haban-tsena alain’ny kaominina. Misy mihitsy aza fikambanana mampihorohoro ny mpivarotra ka milaza fa izy ireo no miaro ny mpivarotra fa ny kaominina tsy mahavita izany. Misy koa anefa ny mpanao politika mandrisika an-dian’olona misakana ny asan’ny kaominina amin’ny fandaminana kasainy apetraka.


Handray fe-petra entitra tsy hijerena tavan’olona manomboka izao ny kaominina Antananarivo-Renivohitra momba ny tsena, ny fivezivezen’ny fiarakodia, nyfanorenana tsy ara-dalàna koa izay tsy manaraka ny fandaminana dia handraisana fe-petra.

 

haba-tsena3

haba-tsena1

haba-tsena2

Arp Helisoa

Nidina tao amin’ny boriborintany voalohany ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana niaraka nidinika tamin’ireo tompon’andraikitry ny boriborintany amin’ny asa fanadiovana sy fanatsarana ny tanana

 

cua-fivoriana3

cua-fivoriana1

cua-fivoriana2

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s