CUA-Antananarivo 20/01/2017. Lalao Ravalomanana nitsidika, 67ha Avaratra Atsinanana sy Andavamanba.

.

Arp Helisoa

Nitsidika ny Epp 67ha Avaratra Atsinanana sy Andavamamba ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana , nijery ny famatsiana sakafo ireo ankizy mpianatra izy tamin’izany , Hanampy amin’ny fanamboarana ny dabilio sy varavarankely ary ny fandokoana ny efitrano fianarana ny CUA araka ny nambaran’ny ben’ny tanana tamin’izany

 Midina mifanerasera amin’ny mponina ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana.

FIJERENA NY OLANA IFOTONY NATAON’NY BEN’NY TANANA

Nijery ireo olana ifotony tetsy Ankasina sy Andavamamba ny kaominina Antananarivo Renivohitra izay notarihan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana androany maraina 20 janoary 2017. Ny voalohany dia nidina tetsy amin’ny «fanasan-damba » etsy Ankasina nijery ny olana ireo mpanasa lamba izy. Tsy ampy ny toerana fanahazan-damba ka nanapa-kevitra ny kaominina hanadio ny toerana rehetra manodidina sy ny lakandrano aloha satria maloto loatra ny toerana manodidina. Tsy maharaka nyRF2 sy ny sefofokotany,koa hanaovana asa tana-marona HIMO ny fanadiovana. Mandritra ny 10 no anaovana izany fanadiovana izany miaraka amin’ny fokontany. Hodinihana kosa ny fanorenana fanasan-damba vaovao ka fikambanan’ny fikambanana vehivavy mpanasa lamba hitantana azy.


Tsy vitan’izay ihany fa nanentana ny mponina Ankasina sy ny sefom-pokotany koa ny Ben’ny Tanana ary niheno ny hetahetan’ny mponina koa izy toy ny fahateren’ny lalana mivoaka makany amin’ny Arabe nohon’ny fisian’ireo orinasa sinoa miorina ao anatin’ny Tanana ka manery ny lalana . Eo koa ny fitarainana mikasika ny tsy fisian’ny jiro, ireo fitarainan’ny olona may trano ny taona lasa iny ka ho raisin’ny Ben’ny Tanàna ny alatsinainy izao ry zareo. Mbolamisy olona 14 tsy manan-tranoeo Ankasina noho ny voina nitranga tamin’ny taon-dasa teo iny.


Notsidihan’ny Ben’ny tanàna sy ny mpiara-dia aminy kosa avy eo ny Epp teny amin’ny 67 Hectares avaratra atsinana sy ny EPP ao Andavamamba. Misy mpianatra 1314 ao amin’ny 67 hectares avarara atsinana, ary 1010 kosa ny ao Andavamamba. Fahanan-tsakafoavokoa ireo ka ny PAM no miantoka izany.Ny CARE kosa no namatsy ny kojakoja fandrahoantsakafo. Hita fa betsaka ny dabilio simba sy ny varavarankely koa nilazany Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa hanampy amin’ny fanamboarana ireny, ary tsy miandry fotoana ela.Nanasa ny mpianatra ihany koa ny Ben’ny tanàna hitsidika ny lapan’ny Tanàna ka ny kaominina ihany no miantoka ny fitaterana ireo mpianatra.

l-ravalo9

l-ravalo8

l-ravalo3

 l-ravalo10
l-ravalo7
l-ravalo1
l-ravalo17
l-ravalo5
l-ravalo12
l-ravalo14
l-ravalo15
l-ravalo16
l-ravalo11
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s