« Lozanao ra-olombelona! » Nitiah Nosy.

Lozanao ra-olombelona!

 

Lozanao ra-Olombelona,
‘zao ianao mimenomenona!
F’ianao ihany no namotika,
ity tontolo rotidrotika!

Tena lozanao mihitsy e,
nikapa ala, tsy nitsitsy!
Ireo tanety koa tsy tratra,
donotranao tsy nisy antra!

Lozanao ho’aho lozanao:
ny fako naparitakao;
ny setro-piara etsy andaniny,
plastika sy ny tariny!

Teo ianao tsy hay tenenina,
ankehitriny arahi-nenina!
Fa e tontolo karakaina,
tankina tsy ahafaha-miaina!

F’Ikopa mihitsy anie no ritra e,
ny tanimbary mitriatritra!
Ary angamba atsy ho atsy,
ho fongana sy lany vatsy!

Lozantsika re rey olona a,
fosotry ny fahalovana!
Fa nandrora mitsilany,
‘zao ianjadian’ny haitany!

Nitiah Nosy. 21/01/2017.

.

maina

.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s