« Tsy hita ihany ange ianareo », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

TSY HITA IHANY ANGE IANAREO

 

Dia tsy hita ihany ange ianareo
Aongana mampidi-kizo
Tsy aongana hampiditra angano
Fa aseranareo any ho any
Zorontany nomena vahiny
Indray ihany mampanontany
Miliba sy manao izay tiany

Dia tsy hita ihany mihitsy ianareo
Avela toa misary gaigy
Azera koa haningotra aina
Ny tokinareo varo-boba
Mandafo ny maso sy jery
Mahay aloha ianareo raha hiloka
Fa be ny vahoaka no very

Dia tsy hita ihany ange ianareo
Ajanona toa mihevotrevotra
Esorina indray mitsambikina
Be resaka anaty ady hevitra
Lahasa tsy hita be ihany
Mahita vazaha mitambezoka
Zohiana toa indray be vinany

Dia tsy hita ihany mihitsy ianareo
Aongana toa mody hendry
Tsy aongana indray be kafara
Faly ianareo ny mangorona
Mamarotra anay malagasy
Bokan-trosa na dia efa borona
Mbola ambananareo amin’ny basy

NARY (Mamitiana Randrianarison ).
16/12/2016

.

rajao-fiara

.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s