26 Janvier 2009. « Valo taona izay »,Christiane Ramian.

.

Valo taona izay.

 

Valo taona izay,
No potika sy may
Iarivo ilay nandroso
Nalavo hikororoso

Endrey reo mpaka sary
Nijery ankarihary
Ny Roba sy ny halatra
Tsy nisy mba nananatra

Be ny nihorakoraka
Faly fa nirotaka
Faly fa nandresy
Nihoby sy naneso

Ireo natao hiaro
Indrisy nifangaro
Tamin’ireo jiolahy
Nanao ratsy fanahy

Dia hatreo hatry ny anio
Dia voretra tsy nety hadio
Ny tanàna sy ny saina
Voretra tsy hay ovaina

Ny Jiro nasolo aizina
Toy ny any antranomaizina
Ny rano kosa indrisy
Namotaka, tsy misy…

Izay sisa ilay tanàna
Zary tsy mahatamana…
Endrey midanadana
Farahidimpahantrana.

Tsy misy sahy miteny
Fa endrey malemilemy
Aiza ilay hasahiana
Nanimba izay tsy tiana?

Sa vontompananarana
Nirevo hasomparana
Ka zary tia ny ratsy
Malemy tsy ampy vatsy ?

Sa nihadombo koa ny loha,
Ka aoka ihany aloha
Nankaiza ireo be mokony
Tsy hita izay atokony?

Tia mandrava efa
Néfa mirefarefa
Fialonana no betsaka
Izao vao mikonetaka

Lasa rembin’ny vahiny
Vao mifanome ny tsiny
Mifamono ampitoerana
Toa foza iray herana…

Chris© Christiane Ramian.

26 janoary. Valo taona.

valo-taona

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s