« Haintany,voaotafady i Madagasikara », Rangorindralesoka Zanakandriana.

maina

.

Rangorindralesoka Zanakandriana. 24/01/2017.

Mafy lehiretsy ity haintany ity, tsy mbola nisy toa ity hatramin’ny 300 taona lasa angamba. Tsy mbola nanetsa ny tantsaha maro hatramin’izao faran’ny janoary izao. Tsy azo antenaina intsony ny fambolembary. Raha ny tantara dia tamin’ny Mpanjaka Andriamasinavalona (fiatombohan’ny taonjato faha-18) no nisy mosary mavovava noho ny haintany ka nahantonga ny fitenenana hoe « hany vary, Andraisisa », satria tao Andraisisa no hany nahavokabary. Asa mba nanao ahoana re izay Andraisisa ? Efa nanetsa ve ? Nanomboka tamin’ny herinandro nandraisana iny fivorian’ny frankofonia ny 16 Novambra iny no tokony hilatsaka ny orana nefa tsy nisy izany mandrak’ankehitrio. Ny fandraisana iny frankofonia iny izay voalazan’ny mpahay fomba maro fa isan’ny otafady teto Madagasikara.

Ritra avokoa ny renirano ary maro ireo loharano tsy ritra hatrizay satria noheverina ho misy zavatra toa ny Zazavavindrano sy Vazimba sy Kalanoro no ritra. Rehefa ritra ny loharano iray dia heverin’ny mpahay fomba fa tsy azo anaovana fomba intsony amin’ny hoavy. Vokatr’izany, milaza ireo kristiana fa porofo izao fa tsy manana ny heriny ireny zavatra inoan’ny olona fa mitoetra amin’ny loharano ireny matoa ritra ny loharano sy renirano itoerany . Milaza kosa ny mpandala ny finoana nentindrazana fa vokatry ny fametavetana ireny loharano masina ireny no maharitra ny rano ankehitrio ary raha tena misy marina ny Andriamanitry ny kristiana sy silamo dia asaivo alatsany ny orana . Ny azoko antoka dia misy fetrany daholo ny herin’ny zavaboaharin’Andriamanitra fa matoa tanteraka izao tsy filatsahan’ny orana izao dia zakanjanahary.

Tsy resaka siantifika toa ny fanimbana ny tontolo iainana no mahatonga izao tsy filatsahan’ny orana izao satria tsaroana fa vao tamin’ny heritaona ny janoary 2016 no nisy orambe. Tena sazin’Andriamanitra izao haintany izao, izao no ataon’ny razantsika hoe « fahirano », vokatry ny tsy fanarahana ny sitrapon’ny Zanahary dia ny hoe « Madagasikara dia tany masina voatokana hiadanan’ny Malagasy ». Nefa dia nisy tomponandraikitra minia mandika izany sitrapon’Andriamanitra izany ka manome vahana ireo sinoa sy karàna sy vahiny hahazo tany eto ary hitrandraka ny harena voajanahary any anaty ala, renirano, ankibon’ny tany ary ranomasina.

Voaotafady i Madagasikara ka mila fanadiovana faobe no vahaolana. Mila miaramanaiky sy miray tendro ary manao velirano ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena dia ny Mpanao politika rehetra sy ny Olobe rehetra ka ny velorano atao dia tsy hivarotra tany amin’ny vahiny na iray dia aza ary ny Malagasy ihany no afaka mitrandraka eny ifotony ireo harena toa ny ala sy ankibon’ny tany sy andranomasina fa ny andraikitry ny vahiny dia mividy izany amin’ny toerana voatokana lavitry ny toerana fitrandrahana. Izay mitondra eo dia manova ny didy andalàna hanatanterahana izany ka ireo tany efa lasan’ny vahiny aza dia alaina aminy ary omena ny Malagasy izay tsy manana. Izay ihany no vahaolana tokana amin’izao sazin’Andriamanitra amin’ny Malagasy izao. Ny rano no olana ka tsy maintsy « velirano » no vahaolana.

Mandrampahoviana no mbola hanampitsofina sy hanapimaso amin’ny volaben’ny vahiny enareo manana fahefana hanao io fanadiovana foibe io ? Satria ny ain’ny Malagasy maro no hadinin’Andriamanitra aminareo sy ny taranakareo atsy hoatsy ary mazevatra ny alahelombahoaka ka tsy zaka hatramin’ny taranaka faha7?

Rangorindralesoka Zanakandriana

.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s