26 Janvier 2009. « Tadidio », Christiane Ramian.

.

Tadidio,

 

Valo taona anio no rotiky ny afo
Sy novidiana lafo;tsarovy sy tadidio
F’izao ny tanàna mbola hotohoto
Marary sy maloto nohon’ny hadalàna

Rotika ny tany hatr’iny andro Iny
Be ankehitriny no mbola mitomany
Fa potika ny asany tsy hita izay hatao
Zary loza mitatao ny hoavy mba andrasany

Ilay firenena nihemotra andaharana
Tsy misy famokarana fa lasa mosarena
Tsy jiro tsy mba rano, tsy mandry koa ny tany
Indrisy ambony ambany: nidiran’ny angano

Jiolahy no manjaka amin’ny lafiny rehetra
Na halatra na hetra tsy miafin’izy maka
F’iny alatsinainy iny nandraisany tsodrano
Hanaovany fahirano ny tany niaviany…

Aiza isika izao ry loaranjy mpanapotika?
Tsy mba mampangotika anareo ve ireo vaovao
Fa ny nataonareo no nandavo an’i Gasikara
Ny tantara no hitsara ireo Jiolahy ireo.

Mianatra mitraka mandrary fihavanana
Ny ory sy ny manana fa miambakavaka
Ahoana moa no hitoky fa latsa-paka mafy
ny iray indrisy miafy iretsy tsy mety voky.

Ny fitondrana indray toa malemy tsy azo
Tena mihazohazo, indrisy tsy mahay
Hevitra manidina sy tsy mitondra soa
Mikendry izay hahavoa, ireny teny midina

Valo taona izay, rava teo ny rafitra
Tanàna nahafinaritra ilay Iarivonay
Nolomoriny ny toetra tsy ho sahy hivoatra
Tsy ho sahy hitroatra, hihosona ho voretra.

Christiane Ramian

25/01/2017.

valo-taona3

.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s