26 Janvier 2009. « Valo taona izay », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

VALO TAONA IZAY

 

Valo taona izay
Ny fitaka bevava…
Namotika antsika
Hatrizao tsy sava
Ny vesatry ny omaly…
Irony setro-mainty
Mbola mamolaly
Ambony rahona eny
K’izao ireto vahoaka
Tsirepy sy mivena…
Noana, bado, kepaka
Samy indreo mipetraka
Miandry izay ho rariny

Aleo hono tsy hitarina…

Valo taona izay
Ny doro trano maro
Niampy fandrobana
Faly ery ianareo…
Namotika tanàna
Nentin-katezerana
Sy mora nandaingana
Inay dia noravana
Sy tsy niasana saina
K’indray Alatsinainy
Rinehitra sy hoto…
Mora nangolaina…
Mpitondra jiolahim-boto

Valo taona izay…
Inona no tombony
Mba azonao ry gasy?
Moa efa nivoatra?
Tafita ve ny tolona?
Ny hitako ny hatreto
Be koa ny nangorona
Nanararaotra mafy…
Ny havendrananao
Dia izao…
Very maina ianao

Valo taona izay…
Ny sotan-karomotana
Zary koa namontsana
Ny fiandriananao…
Ny momba anao rehetra
Ry Madagasikarako…
Nanimba ny toe-tsaina
Sy nampisara-bazana
Nampiady ireo mpihavana
Amin’ny resa-politika…
Mora napariaka
Ny resaka fialonana
Nampisy indray fironana
Izay samy maka ho azy
Samy manatavy…
Ny isan-tokantranony
Izao izao no tafita
Dia ireo mpila ranondranony

Valo taona izao
Hafa indray ny rivotra
« Fery vaovao »…
Saingy….
Lanaka nanjera
Tsy maintsy miandry lera
Miandry sisa donany
Na ivo mba iantsonana
Miharitra mamay
An-taona maro izay…

NARY. Mamitiana Randrianarison

26/01/2017

Malagasy aho 2

Malagasy AHO

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s