Antaninarenina sy CUA. Raharaha tany mirefy 2500m² (an-tsisiny Tohatoha-bato), miandry ny Fitsarana.

antananarivo-totohatra

Mandroso Randria 28/01/2017.

ANTANINARENINA

Tamin’ny 29 septambra 2016 dia tsikaritra fa nisy olona enina (malagasy sy vahiny) toa nanao joro teo amin’io toerana io, namono akoho sy nanao fombafomba maro isankarazany.

Taty aoriana, voatapaka sy voakantsana ny hazo lehibe naniry teo, nisy namefy koa io faritra io, tazan’izay rehetra nandalo teo izany …

Ny 25 janoary 2017, nivory ny mpanolontsainan’ny tananan’IARIVO. Fantatra fa:
– hay efa namidin’ny mpitantana ny kôminina tamin’ny 15 marsa 1999 io sombintany 2500m² io …
– tany kisilasila, voasokajy ho faritra tsy azo anorenana anefa io toerana eo io
– nandray fanapahankevitra fa ho foanana izany fampivarotana izany ka ho entina eny anivon’ny fitsaràna ny raharaha.

Tsiahivina fa ny andron’ny 29 desambra 2016 dia tapitra vita avokoa ny antonta-taratasy ara-panjakana rehetra mahakasika ny fampivarotana; tontosa ny androtr’io daholo na ny Titre, na ny Bornage ary dia nivoaka soa amantsara ihany koa ny Certificat d’immatriculation et de situation juridique: efa lasa fananan’olontsotra ny tany.

Miandry ny tohiny !!!

antaninarenina1-mandroso-randria

antaninarenina2-mandroso-randria

Tsiahy.

Arp Helisoa. 25/01/2017.

Antaninarenina

 Nofoanan’ny mpanolotsainan’ny tanana ihany koa ny fanampahankevitry ny mpanolotsaina ny tanana ny 15martsa 1999 nivarotra ny ampahantany etsy Antaninarenina mirefy 2500m2 . Marihina fa totoafo ny namoahana ny antotantaratasin’io tany io rehefa tsy nihetsika nandritra ny 17taona. ka ny 29desambra teo no voasoratra tany amin’ny domaine. teo koa no nahazo borne sy titre .
Hiakatra Fitsarana ireo raharaha ireo.

antaninarenina-antanimbarinandriana

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s