Anjozorobe 29/01/2017. « Betsaka ny olona maty rehefa gaboraraka ny fanjakana », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

anjozorobe3

.

Betsaka ny olona maty rehefa gaboraraka ny fanjakana.

Olona 47 be izao no maty noho ny lozam-pifamoivoizana tany Anjozorobe ny sabotsy teo. Talohan’io koa nisy maty tany Ambohimandroso, Sambava, tsy voatanisa intsony fa efa betsaka ihany izay matin’ny lozam-pifamoivoizina izay manerana ny Nosy, ary ny ankamaroan’izy ireo dia fiara mpitatitra olona daholo. Ny antony lehibe mahatonga an’izany dia tsotra: gaboraraka loatra ny fanjakana tsy mandray ny andraikitra tandrify azy. Manjaka ny kolikoly eny amin’ny ivon-toerana fitsarana fiara ka na ireo fiara efa tsy tokony hiasa hitatitra olona intsony aza dia lany « visite » foana rehefa manome kely.

Ny olona tsy tokony hitondra fiaram-pitanterana dia afaka mitondra foana na dia tsy manana ny fahaizana takiana amin’izany. Ny taxi-brousse na hita izao aza fa mihoatra be ny entana entiny dia avelan’ny zandary mandeha foana rehefa mahazo kely any amin’ny chauffeur.

Tsy mahagaga raha betsaka ny lozam-pifamoivoizana sy ny olona maty eny amin’ny lalam-pirenena satria jamban’ny vola daholo ny tompon’andraikitra ara-panjakana rehetra.

Rivo Albert

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s