CUA-Antananarivo 31/01/2017. Anjozorobe, namangy ireo marary ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana.

Arp Helisoa. 31/01/2017.

 Tonga namangy ireo marary tratry ny lozampifamoivoizana tany Anjozorobe tao amin’ny hopitaly HJRA ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana
.

BEN’NY TANANA NAMPAHERY IREO NIHARAN-DOZA TANY ANJOZOROBE TETSY AMIN’NY HJRA

Nitondra fanampiana ho an’ireo naratra mafy tamin’ilay lozam-piarakodia mahatsiravina tany Anjozorobe ny maraina teo tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, nitondra teny fampaherezana koa izy tamin’izany ho an’ireo fianakaviana izay nanana ny maty tamin’iny loza mampalahelo sy nampivarahontsana iny, izay nahafatesana olona miisa 47, ary nisy naratra mafy am-polony.

Ankoatra ny fanomezana ranom-boankazo sy fampaherezana ireo naratra mafy tamin’iny loza iny, nanome fanampiana ho an’ireo marary hafa niray efitra tamin’ireo niharan-doza tany Anjozorobe iny ihany koa ny Ben’ny tanàna. Nambarany tamin’izany fa tonga nampahery sy nitondra ny teny fampiononona ho an’ny fianakavian’ny niharam-boina izy amin’ny maha-ray aman-dreny eto amin’ny tanàna azy satria eto amin’ny tanànan’Antananarivo no misy ny hopitaly HJRA itsaboana ireo maratra tra-doza ireo. Mafy ilay marary hoy izy ka ilaina hatrany ny fifanomezan-tanana amin’ny mpiara-belona tratra ny tsy nampoizina toy izao.

.
lalao-r-andrianavalona2
16463267_381255178902301_922844531544016433_o-1
lalao-r-andrianavalona5
lalao-r-andrianavalona1
lalao-r-andrianavalona4
Arp Helisoa. 31/01/2017.Ontsa i Neny nahita ity zazavavy kely ity. 9 mianaka izy no niharamboina, ity zazavavy ity irery sisa no velona. Mivavaka ho azy isika. mampalahelo

lalao-r-andrianavalona6

Fa tsy ireo niharamboina tany Anjozorobe ihany no nomen’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana solomboankazo fa tao koa ireo marary hafa sendra azy

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s