CUA-Antananarivo 31/01/2017. Nidina ifotony ny Ben’ny Tanana, boriborintany faha dimy-Manjakaray, Amboditsiry.

Couverture CUA

.

Arp Helisoa. 31/01/2017.

 Mitohy ny fidinana hifotony ataon’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana eny amin’ny boriborintany rehetra eto Antananarivo Renivohitra. Teny Manjakaray sy Amboditsiry boriborintany faha 5 no nanatanterahana ny fidinana hifotony io maraina io
 –
.
CUA serasera. 31/01/2017.

Fidinana ifotony notanterahin’ny Ben’ny tanàna teny amin’ny Boriboritany fahadimy
Nitety ireo elakelan-trano, nijery ifotony ireo lalankely sy ireo foto- drafitr’asa teny Anjanahary II S, Manjakaray II C, II D sy II B ary Amboditsiry ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Rtoa Lalao RAVALOMANANA androany 31 Janoary 2017.

Notsidihina voalohany ny Fokontany Anjanahary II S nahitana lalankely mirefy 320m andalam- panamboarana avy amin’ny tetik’asa CLD. « Tokony hatao manara- penitra ny asa mba hateza, ary ny vahoaka manodidina dia manana andraikitra hikajy ny fanànana iombonana » hoy Rtoa Ben’ny tanàna raha nitafa fohy tamin’ireo mponina sy ireo tompon’andraikitra manatanteraka ny asa izy.

Toerana faharoa notsidihina ny bassin lavoire teny amin’ny Fokontany Manjakaray II D, nanolotra savony 10 baoritra ho an’ireo mpanasa lamba 60 isa ny Ben’ny tanàna. Tsy adinony ny nanentana ireo mpanasa lamba mba hanadio ny toerana fanasan’izy ireo lamba ary nampanantena ny hanolotra aron’akanjo izy . Tetsy ankilany dia nangataka tamin- dRtoa Ben’ny tanàna ny solontenan’ireo mponina mba hanamboatra ilay toeram- pivoahana ho an’ny daholobe (WC Public) efa tsy niasa an-taonany maro satria miteraka loto sy fofona ratsy amin’ny manodidina izany. Notohizana teny amin’ny Chute de la Lilie Fokontany Manjakaray II C eo an- dalam-panamboarana ny « mur de soutainement » ny fitsidihana. An- dalam-pahavitana izy ity ankehitriny vokatry ny fiaraha- miasa avy amin’ny ONG East. Nampanantena ny Ben’ny tanàna fa hijery akaiky izay fiaraha –miasa azo atao mba ahavitan’ny asa haingana.


Nitohy teny Manjakaray II B ny fitsidihana, lakandrano sy lalan’ny mpandeha an- tongotra mirefy 200m avy amin’ny tetikasa CLD an- dalam-panamboarana. Nodinihin-dRtoa Ben’ny tanàna akaiky tamin’izany ny fahatsaran’ny kalitao sy ny fitaovana ampiasaina. Nanaovany fanamarihana manokana ny tokony hanafainganan’ny asa ary ny tokony hikaliana izany satria sahirana ny vahoaka raha avy ny orana.

Nofaranana teny Amboditsiry ny hetsika, lakan-drano mirefy 2km eo ho eo miainga eny Nanisana mitohy hatreny Amboditsiry ary mivarina eny Masay no tsentsin’ny tsikafona. Efa manomboka manala ireo tsikafona ny ekipa teknika avy ao amin’ny Boriboritany fahadimy kanefa mbola mila ezaka ny fahavitan’izany hatramin’ny farany. Nankasitraka ny ezaka efa natomboka Rtoa Ben’ny tanàna ary nampanantena fa hijery haingana izay ahafahana mifanome tanana ahavitan’ny asa haingana. Niantso ny avy amin’ny APIPA ihany koa izy mba hifanampy amin’ny Boriboritany mba hahavitan’ny asa mialoha ny fiavian’ny orambe.


Nandritra ny fijerena ifotony ny zava- misy iainan’ny vahoaka dia tsy nitsahatra nanentana ireo mponina rehetra nolalovany Rtoa Ben’ny tanàna mba hanadio ny faritra manodidina azy. Nomeny toromarika manokana ireo Filoham-pokontany mba haverina ny fanentanana ireo mponina mba hanadio, ka izay tratra maloto ny faritra manakaiky azy dia tokony ho saziana. Namafisiny fa tokony hiara- hisalahy ny vahoaka sy ny fokontany amin’ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa madinika fa tsy hiandry ny kaominina foibe foana, satria ny miasa miaraka no fahombiazana.

lalao-5e-art2

lalao-5e-art25

Arp Helisoa

Notoloran’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana savony ireo mpanasalamba tao Manjakaray, amin’ny fiverenany manaraka dia hanolotra tablier ho an’ireto farany i neny. Nentaniny kosa anefa ireo mpanasa lamba mba hitandro ny fahadiovana hatrany

 

lalao-5e-art18

lalao-5e-art19

lalao-5e-art20

lalao-5e-art21

lalao-5e-art8

lalao-5e-art9

lalao-5e-art10

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

.
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s