« Tandrema ihany », Mamitiana Randrianarison (MCM-Tanà).

Malagasy Hands 1

.

TANDREMA IHANY

 

Kodiaran-tsarety io ry nao
Asakasakao ny hanisy ratsy
Anio aloha angamba ny anao
Mbola ho an’ny hafa atsy ho atsy

Fiaina-mandalo io ry nama
Asakasakao andeha hanapoizina
Hibolisatra ianao raha halama
Hangina ay fa aleo tsy hanozona

Mbola hifandimbiasana io letsy…
Ka aza atao rehareha tafahoatra
Ny savovona mbola hiletsy
Jereo izato ombana ranoatra

Voninahitranao rehareha…
Anio izy izao mety handrobona
Tsinjovy ihany lahy izay aleha
Avelaro ny jery tsy hikobona

Anio mantsy anao ny rehetra
Sinahinao izao rehetra izao
Tandrema ihany, fero ny setra
Misy Avo ao mahatoraka anao

NARY. Mamitiana Randrianarison

31/01/2017

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s