« Zanaharin’iza ? », Mamitiana Randrianarison (MCM-Tanà).

Zanahary

.

ZANAHARIN’IZA?

 

Sazin’iza loatra no hefainao ity ry gasy?
Zanaharin’iza ity mively karavasy?
Teo ny horohoron-tany, izao indray karakaina
Loza ahoana loatra ity fa mahalasa saina?

Mba betsaka ihany mantsy ny mitena ho pasitera
Misy hoe mpaminany…ary tia mideradera
Maro ny midedaka mahavita fahagagana
Nefa izao aho gaga, vaka…tena hana

Mody moana izao ireo fa lany bala rora
Zanaharin-dreo ry ireto angamba mety njola
Fa tsy mahita mihitsy fa izahay ity vita ketsa
Ary ankodahoda arÿ no lemany ho petsa

Izao aloha porofo fa ireo dia rainikobaka
Foana fandrendrehana no tsapanay fa bobaka
Milaza ho mahay nefa izao hiaraha-mahita
Angamba koa Anosy sy Masay aza ho ritra

Sazin’iza loatra ity ry gasy be finoana?
Zanaharin’iza ary io no zary mafy antsoina?
Ireto hoe mpisorony aza tsy hita be ihany
Avia « kelimalaza »… Tondrahy aloha ny tany

NARY. Mamitiana Randrianarison
17/01/2017

maina

mantasoa-mivoatra-sos-mantasoa 12 Janvier

tsisy-rano-tt

Famadihana

#sary_nindramina

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s