CUA-Antananarivo 3/02/2017. Behoririka. Fandaminana sy tsena vaovao.

CUA - Antananarivo.
Mpivarotra amoron-dalana eny Behoririka Hafindra eo amin’ny « éponge »

03/02/2017

Nidina namaha ny olan’ireo mpivarotra amoron-dalana tetsy Behoririka omaly ny teknisianin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra notarihin’ny Sekretera jeneraly Razafimahefa Heriniaina sy ny delegen’ny Boriborintany fahatelo.

Raikitra fa hafindra etsy anelakela-trano misy ireo mpivarotra kidoro « éponge » akaikin’ny EPP ireo mpivarotra amoron-dalana sy ireo manoloana ny EPP Behorirrka. Miisa 182 ireo mpivarotra amoron-dalana omena toerana amin’izany.

Eo am-pitan’ny Luxor kosa no hametrahana ireo mpivarotra sakaosy saingy mbola hamboarina sy hodiovin’ny kaominina. Tsy maintsy manana latabatra 1m amin’ny 1m avy ny mpivarotra tsirairay, araka ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny kaominina. Anio alakamisy ihany moa dia efa hiroso amin’ny famindrana ireo mpivarotra ireo ny tompon’andraikitra raha efa natao tamin’ny alina ny famaritana ny toerana.

Hafindra eo am-pitan’ny Toyota Rasseta ireo mpivarotra kidoro éponge, tany nomen’ny kaominina. Ho an’ireo mpivarotra fanaka eo ambany tetezan’i Behoririka dia isaky ny alarobia ihany izy ireo no afaka mivarotra eo fa afaka manaraka ireo tsena rehetra misy eto an-drenivohitra. Halana eo amin’ny toerany ihany koa ny toby fiantsonana mihazo an’Ambohimangakely saingy mbola hifampiresaka ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny lehiben’ny kaoperativa.

Pati

Ph. Mcm. 2014.

behoririka

Jean-Luce Randriamihoatra

Soarano. Ph. Qinlijun Fara Enintsoa

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s