CUA-Antananarivo. Ben’ny Tanana sy ny Boriborintany faha roa, Ambohijatovo, Ambanidia, Manakambahiny…

CUA - Antananarivo.

CUA serasera. 2/02/2017.

FIDININAN’NY BEN’NY TANANAN’ANTANANARIVO, FIJERENA NY OLANA MISY ENY AMIN’NY BORIBORINTANY FAHAROA.

Ny Alakamisy faha 02 ny volana febroary taona 2017 dia tonga teny amin’ny boriborintany faharoa Ramatoa Lalao RAVALOMANANA, Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, narahin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky nampian’ny Solombavambahoaka sy ny Delegen’ny Boriboritany faharoa sy ny Sefom-pokontanin’ireo toerana izay nolalalovana.
Misy toerana tena mijaly eny amin’ny Boriborintany faharoa rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Ny tany mihotsaka sy ny rano miangona no tena loza mihatra amin’ ny mponina eny antoerana. Nandray andraikitra ny avy ao amin’ny Kaominina nijery akaiky izany rehetra izany.


Natomboka teny Ambohijatovo ambony ny fitsidihana, nanara-maso ny fanamboarana ny lalan-kely eny ambonin’ny tunnel Ambanidia izay mety hitera-doza tokoa raha tsy havaozina izay vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny volana Febroary ny asa. Nanolotra simenitra 20 kitapo ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho fanampiana amin’ny famitàna io tetik’asa io.


Nihazo ny Fokontany Anjohy ny ekipa rehetra taorian’izay; Ny tany mety hiotsaka no olana misy eny izay handraisana fepetra haingana . Ny teny Ambohidraserika kosa dia ny fanavaozana ny lalantany miala eo Ambohimiandra mandalo an’Ambohidraserika ary mifarana eny Mahazoarivo izay vinavinaina ho atao lalana vita amin’ny rarivato ”pavet”.

Nofaranana teny Manakambahiny ny dia ; Fokontany izay tena mijaly tokoa rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra , milatsaka eny avokoa ireo riaka rehetra avy amin’ny faritra ambony ka miteraka fiangonan’ny rano sy fihotsahan’ny tany. Ho jerena haingana ny momba izany rehetra izany ary handraisana fepetra hentitra hoy ireo tomponandraikitra.
Marihina fa tsy ireo Fokontany ireo ihany no hanaovan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo sy ny ekipany fidinana ifotony fa mbola ho avy koa ny anjaran’ny faritra hafa.

cua-2-fevrier1

cua-2-fevrier2

cua-2-fevrier4

cua-2-fevrier6

cua-2-fevrier11

cua-2-fevrier15

cua-2-fevrier10

Arp Helisoa. 2/02/2017.

Nojeren’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana sy ny depiote Stanislas Randrianarisoa voafidy ao amin’ny boriborintany faha 2 ny lalankely mampijaly ny mponina eny Manakambahiny, izay manahirana ny mpampiasa lalana ao antoerana ihany rehefa avy ny orana ny fasika sy fotaka be entin’ny riaka mameno ny arabe eny .Hisy ny vahaolama noraisina hisoroana izany

 

cua-2-fevrier7

cua-2-fevrier8

cua-2-fevrier9

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s