Izao ve ny vokatr’ilay hoe « gouvernement de combat »? Rivo Albert (Mcm-Tanà).

.

Izao ve ny vokatr’ilay hoe « gouvernement de combat »?

 

Aza adinointsika vahoaka Malagasy fa ity governemanta tarian’i Mahafaly Olivier ity dia nolazaina tamin’ny fotoana nijoroany, 10 volana lasa izay fa hoe « gouvernement de combat » ary miavaka amin’ireo governemanta nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay. Nambara tamin’izany fa hoe governemanta hiady amin’ireo olana rehetra sedrain’ny vahoaka, ny kolikoly, ny delestazy, tsy fandriam-pahalemana, etc etc.

Inona anefa ny vokany herintaona latsaka kely aty aoriana? Nisondrotra toy izay tsy izy ny vidim-piainana (vary, saran-dalan’ny taxibe, PPN, etc etc), mitombo isa isan’andro ny mpatory an-dalana, lasa isan’andro ny fitsaram-bahoaka, ny delestazy vaomaika miha mafy, ny kolikoly vaomaika nihemotra aza i Madagasikara raha ny laharana navoakan’ny « Transparency Internationale », mbola manjaka ny tsy maty manota, ny tsy fandriam-pahalemana iny tsy resahina intsony, sns sns.

Na ny olona jamba, moana sy marenina aza angamba mahita fa vaomaika mitotongana ny firenena tao anatin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao. Na ny adala aza angamba tsy mahatoky intsony hoe mbola hitondra fampandrosoana eto amin’ity firenena ity ireto mpitondra HVM ireto.

Rivo Albert (Mcm-Tanà).

.

hery-kolikoly

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s