CUA-Antananarivo. Boriborintany faha dimy, Ivandry, Analamahitsy, Ambohimirary, Ambatokaranana.

Couverture CUA

.

CUA serasera .2 février,

·

FITSIDIHANA MANAKAIKY NY MPONINA, BORIBORITANY FAHA-05

Nijery ireo asa fanamboarana ny lalan-kely teny amin’ny fokontany Ivandry, Analamahitsy, Ambohimirary ary Ambatokaranana ny fiadidina ny tanànan’Antananarivo ny 01 Febroary 2017. Nitarika izany Atoa RAMBOASALAMA Emilien Lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna.


Notsidihina voalohany ny Fokontany Ivandry nahitana lalankely mirefy 120 m andalam- panamboarana avy amin’ny tetik’asa CLD. Vao ny antsasaky ny asa no vita ka nojerena akaiky ny kalitaon’ny asa sy ny fitaovana nampiasaina, nandritra izany dia nilaza ireo mponina fa vonona ny hikajy ny fotodrafitr’asa ary nangataka ny hitohizan’ny asa sy vahaolana nohon’ ny tsy fisian’ny toerana ahafahana manary ireo rano maloto.

Nojerena manokana ihany koa ny toerana izay efa natao hisy ny tsena efa tsy niasa nandritra ny taona maro. Difotry ny rano ity toerana ity rehefa avy ny orana ka manahirana ireo mpivarotra, tsy misy ny lalana ivoahan’ny rano satria avo noho ilay toerana ny arabe.Vokatr’izay dia manjary eny amin’ny sisin’ny arabe izy ireo no mivarotra.

Ankoatr’izay dia manahirana azy ireo ny fisian’ireo mpisandoka mitaky ticket ka nanaovan’izy ireo fitaraina. Araka izany dia nilaza ny Lefitry ny Ben’ny tanàna fa ho ezahina atao « axe d’effort » ny mikasika ireo olan’ny fokontany Ivandry.

Toerana faharoa notsidihina ny teny amin’ny Fokontany Analamahitsy, sarona dalle mirefy manodidina ny 120 m no namboarina ary nasiana plot ny sisin’ny arabe mba tsy ahafahan’ny fiara mijanona eny ka manimba ny fotodrafitr’asa. Nentanina nandritra izany ireo mpanasa lamba mba hanadio ny toeran ialana ary tsy hanaparitaka ny fako ka hanisy daban- jaoridira satria ireny no manentsina ny tatatra.


Notohizana teny Ambohimirary ny fitsidihana, lalankely fivezivezen’ny mponina mirefy 100 m sy 65 m no an- dalam-panamboarana ary ny ampaha- efatry ny asa sisa no tsy vita. Nankasitraka ny ezaky ny kaominina ny solotenan’ireo mponina ary mangataka ny hitohizan’ny asa. Nanaovan’izy ireo fitarainana ny tsy fisian’ny fivarinan’ny rano noho ireo trano mifanakaiky loatra avokoa ka mangataka amin’ireo tompon’andraikitra mba hijery izay vahaolana indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.

Nofaranana teny Ambatokaranana ny hetsika, lalankely mirefy 100m no efa vita ary an-dalam-pamaranana ireo mpanamboatra izany. Nankasitraka ireo mponina satria tena manala fahasahiranana azy ireo ny fahavitan’ity lalana ity. Ny mahakasika ny tsy fandriam- pahalemana no nanaovan’izy ireo fitarainana sy ny fahatsentsenan’ireo tatatra matetika, etsy andaniny tsy ampy ny isan’ireo RF2.
Nandritra ity hetsika ity dia tsy nitsahatra nanentana ireo mponina nolalovany mikasika ny fahadiovana ny Lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna.

Tokony ho tia fahadiovana ny rehetra ary ho sarotiny amin’ireo fotodrafitr’asa iombonana satria arakaraky ny fahatezan’izy ireny no ahafahana manohy asa hafa. Namafisiny fa tsy maintsy manaja ny fitsipika ifampifehezana ny tsirairay mba hisian’ny fiaraha- monina mirindra, nomeny baiko manokana ireo Filoham- pokontany mba hametraka sazy enjana ho an’ireo minia mandika izany.

cua-faha-dimy1

cua-faha-dimy3

cua-faha-dimy4

cua-faha-dimy5

cua-faha-dimy7

cua-faha-dimy8

cua-faha-dimy9

cua-faha-dimy10

cua-faha-dimy12

cua-faha-dimy13

cua-faha-dimy14

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s