« Ô Rafanja… », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

jiram4

Ô RAFANJA…

 

Rafanja mpandainga tsy menatra intsony
Milaza ny hampiadana ny ambanilanitra
Fivoarana tsy hita sa alain-drony?
Voadaka io vilany io raha ela fitanika

Rafanja mpisandoka anie manga resaka
Raha toky soloky tsy lany laniana
Fandangolangoina, fiteny malefaka
Ny delestazy hoe hifarana oviana?

Rafanja mpitsatsaka anie tsy hita ihany
Mitady tsy hahatanty ny hiongana teo?
Ilay iainan’ny gasy efa mahabe ontany
Mba sao kosa lahy tsy jinerinareo?

Rafanja marenina ve aloha maheno?
Sa mody mangina, mitsoaka taraina
Raharaha mafana ity ange fa tandremo
Efa tsy tanty sy mihatra aman’aina

Rafanja a…

Rafanja izao ihany ilay mampisendaotra
Vahao malaky io tsy hiitaran’ny loza
Aza andrasana handrongatra re ny vahoaka
Ka ho fanararaotan’ny boto sy foza

NARY. Mamitiana Randrianarison

09/02/2017

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s