« Fahavalo », Christiane Ramian.

fako-hvm2

.

Fahavalo

 

Aza mihambo ho mahavita
Rehefa tsy mahay miasa
Aza miraikitra toa dinta
Miala fa aza mivasavasa
Efa efa-taona izay
Mainka midina izay tsy izy
Mosarena tany hay
Izy anefa miambozizy

Ny fiainany efa lafatra
Azy ny tombontsoa rehetra
Izy ndray no be fananatra
Mila miafy mahalala fetra
Mahandrasa hoy Mahafaly
Mbola misy taona iray
Mbola tsy ampy izany jaly
Aleo handady mba ho fay

Ny zanak’izy ireo anefa
Mianatra any ampita any
Ny eto atao mirefarefa
Faraidiny eto antany
Jiolahy nomena adidy
Ripaka ny arinkarena
Manjaka sy masi-mandidy
Feno fitiavantena

Tsy izay mahasoa vahoaka
Fa ho azy mianakavy
Voalavo be fandoaka
To fo sady mpamosavy
Alahelon’ny sahirana
Ny hanimpitoloha arapany
Ataony izay azo amikirana
Hiarovany ny lapany

Ny aina anie tsy mifametra
Fa mba tsarovy eny ihany
Ireo tombony rehetra
Mety ho ringana sy lany
Tsy nisy nahay nividy ny ainy
Na nanamboatra iray minitra
Na tapitr’ohatra aza ny sainy
Rehefa vita dia mitsitra

Aleo hono halan’andriana
Noho izay halam-bahoaka
Izato ianao efa tsy tiana
Mahalalà ry Se mivoaka
N’inoninona harena
Azo tsy nisahiranana
Dia fahavalompirenena
Fahavalon-tanindrazana.

Fahavalo

○chris. 10/02/2017.

Christiane Ramian

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s