CUA-Antananarivo, 13/02/2017. Boriborintany voalohany, milamina Ambodifilao.

CUA - Antananarivo..

CUA serasera.13/02/2017.

AMBODIFILAO. FANESORANA IREO MPIVAROTRA TSY MANARA-DALANA

Mitohy hatrany ny fanalàna ny mpivarotra tsy manara-dalàna eto anivon’ny fari-piadidian’Antananarivo Renivohitra. Ny andron’ny Alatsinainy faha 13 Febroary 2017 dia ireo mpivarotra manamorona ny arabe an’Ambodifilao indray no nesorina tsy hivarotra eo intsony. Talohan’izao hetsika izao, izay niarahana tamin’ireo ekipan’ny Boriboritany voalohany, fokontany Ambondrona Ambodifilao ary ny Polisy Monisipaly dia efa nisy ny fampitandremana sy fampandrenesana mialoha. Tsy tampoka ny hetsika satria dia efa samy nozaraina taratasy filazana avokoa ny mpivarotra.


Anisan’ny antony nanaovana izao hetsika izao ny fitarainana nataon’ireo mpivarotra anaty magazay manamorona ity lalana ity ; tsy vita ny manakona ny tsenan’izy ireo mantsy ireto mpivarotra ireto fa sady mandoto no tsy mamela ireo fiara hiantsona eo amin’ny Parking. Ny mpandeha tongotra moa etsy andaniny dia tsy tafiditra anaty trottoir intsony satria feno mpivarotra ny lalana ; mitohana ny fifamoivoizana satria feno mpandeha tongotra ny lalana.


Nanomboka tamin’ny 6 ora maraina ny fanadiovana ny toerana, latabatra sy tsikalakalan-kazo, kesika 2 kamiao ; fako 20 borety teo ho eo ary vato malao maromaro no nesorina sy notaterina nandritra ny hetsika. Araka ny nambaran’Andriamatoa Maminiaina RAKOTONIRINA Chef de Service Technique 1er Arrondissement dia : « tsy nahitàna posy mpitondra entan’ireo mpivarotra androany maraina satria efa fantan’izy ireo mialoha izao hetsika izao, ny mpamelatra latabatra kosa no mbola tratra teo ka tsy maintsy nogiazana ireo latabatra ».

Efa voadio sy voalamina ny toerana amin’izao fotoana izao, omena andraikitra amin’izay araka izany ireo mpivarotra ao anaty magazay mba samy ho tompon’andraikitra amin’izany fahadiovana izany hoy hatrany ity tompon’andraikitra iray ity. Ireo trano fitobian’ireo entan’ny mpivarotra ihany koa dia efa nahazo fampitandremana mba tsy hiharan’ny sazy.

.

cua-ambodifilao9

cua-ambodifilao5

cua-ambodifilao6

cua-ambodifilao8

cua-ambodifilao10

cua-ambodifilao4

cua-ambodifilao3

cua-ambodifilao2

cua-ambodifilao11

cua-ambodifilao1

 

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire