CUA-Antananarivo, 14/02/2017. Lalao Ravalomanana, Boriborintany faha efatra: Tsarafaritra Tsimbazaza…

CUA - Antananarivo.

CUA serasera. 14/02/2017.

FIDINANA TENY AMIN’NY BORIBORINTANY FAHA EFATRA

Nihaona nivantana sy nijery ny olana teny amin’ny Boriborintany faha efatra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra androany 14 febroary 2017 notarihan’ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana sy ny Ekipany niampy ireo Solombavambahoaka Rasimanana Paulbert (Rossy) sy Randriamandimbisoa Felix ary ireo Sefo Fokontany.


Nanambara ny Solombavambahoaka Randriamadimbisoa Felix fa niantso ampanajana ny Ben’ny Tanàna hitsidika ny tetik’asa CLD ka izay indrindra no nahatonga ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana tonga teny an-toerana. Ny CLD hoy izy dia volavolam-panjakana izay ny Solo-bavambahoaka no manome azy, Ny tompony kosa dia ny vahoaka madinika sy ny ambany Tanana. Adidy sy andraikitry ny Ben’ny Tanana no mijery izany CLD izany .
Nilaza kosa ny Solombavambahoaka Rossy fa ny asam-bahoaka no maika, raha misy ny « communication » na fifakazahoan-kevitra tsy mety dia atao ampilaminana fa tsy entina hambolena korontana. Nivoitra koa nandritra ny fitsidihana fa izay takatry ny vola aloha no natao fa amin’ny manaraka ny hafa. Nohamafisina ihany fa tsy mpanantanteraka ny Depute fa mpanao lalana ary miady ny vola izy, rehefa azo ny vola, misy ny Mpanantanteraka. Voafidim-bahoaka ihany koa ny Ben’ny Tanana noho izany dia miasa miaraka.


Nojerena koa ireo tetikasa lalankely tetsy Tsimialojafy, Tsarafaritra Tsimbazaza, Mananjara. Eo koa ny fanentanana ny mponina sy ny sefo-pokontany hanadio sy ny fijerena ireo olan’ny mpanasa lamba ka nanaiky hanome aro ankanjo ny kaominina.
Nahitana fako mivagogo entin’ny riaka koa tetsy anelanelan’ny Ambohipotsy sy Tsarafaritra izay mampisasaka ny Boriboritany faha efatra sy faharoa. Nanapankevitra ny Ben’ny Tanana fa tsy maintsy hodiovina atao asa tanamaro manomboka amin’ny herinandro ambony ka hifanolon-tanana amin’izany ny Kaominina, ny SAMVA, ny vahoaka, ny Fokontany ary ireo Tekinisianina avy amin’ny CUA.

Nitaraina tamin’ny Ben’ny Tanana koa ny mponina fa ny tariby mitondra herinaratry ny Jirama dia ambany dia ambany ka mety hitera-doza. Hampandre ny Jirama ny kaominina noho izay.
Teo koa ny fitsidihana toerana fikarakarana zaza sy ankizy sahirana tetsy Marohoho « Avenir et Partage Madagascar » nitanjona ny fidinana ihany koa . Fantatra fa vonona hanampy ny Kaominina amin’ny fanaovana ny taratasy.

 lalao-ravalo-tsimbazaza5

lalao-ravalo-tsimbazaza3

lalao-ravalo-tsimbazaza11

lalao-ravalo-tsimbazaza8

lalao-ravalo-tsimbazaza12

lalao-ravalo-tsimbazaza7

lalao-ravalo-tsimbazaza22

lalao-ravalo-tsimbazaza6

lalao-ravalo-tsimbazaza1

lalao-ravalo-tsimbazaza14

lalao-ravalo-tsimbazaza15

lalao-ravalo-tsimbazaza16

lalao-ravalo-tsimbazaza9

lalao-ravalo-tsimbazaza10

lalao-ravalo-tsimbazaza20

lalao-ravalo-tsimbazaza21

lalao-ravalo-tsimbazaza19

lalao-ravalo-tsimbazaza17

lalao-ravalo-tsimbazaza24

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s