CUA-Antananarivo 22/02/2017. Asa eo aminy CUA sy ny fokotany. « Tsy hijerena loko politika » hoy ny Ben’ny Tanana.

Antananarivo misaona
Arp Helisoa. 22/02/2017.

Tsy misy ny fampandrosoana raha tsy voajery ny fokontany. ilaina ny fiarahamiasa eo aminy CUA sy ny FOKOTANY ary tsy hijerena loko politika izany. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ny mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny tompon’andraikitry ny kaominina tamin’ny sefo fokotany ao amin’ny boriborintany faha 6 sy faha 2 tao amin’ny lapan’ny tanana Analakely io maraina io.

.

CUA serasera

Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana
Tsy mila vokisana resaka ny vahoaka, asa no ilaina

Tsy hisy ny fampandrosoana raha tsy voajery ny Fokontany; Ilaina ny fiarahamiasa eo amin’ny Fokontany sy ny Kaominina ary tsy ijerena loko Politika. Anisan’ny nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Mpanolontsaina manokan’ny Ben’ny Tanàna Marc Ravalomanana tamin’ireo Sefo Fokontany avy amin’ny Boriborintany faha 6 sy faha 2, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Mila apetraka amin’ny toerana misy azy ny Fokontany saingy ny zavamisy ankehitriny dia ampidirana Politika hatrany izay atao , anisan’izany ohatra ny resaka EPP tadiavin’ny sasany hitsabatsabahana kanefa ny Kaominina no tomponandraikitra voalohany amin’izany araka ny lalàna. Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana fa be loatra ny fizarazarana eto Madagasikara noho izany dia ilaina ny fifantohana ka Politikam-pampandrosoana no ilaina.

Mila entanina koa ny olona mba hanana ny toetsaina mandray anjara. Vokatry ny fidinana ifotony nataon’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana dia natao avy hatrany ny fanamboarana ny fahasimbana eny Tsimbazaza izay miteraka loto mankany amin’ny tranon’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina .

Ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana kosa dia nanamafy fa tsy mila vokisana resaka ny vahoaka. Asa avy hatrany no ilaina hoy izy ary mila entanina ny olona amin’ny fandraisana andraikitra. Ireo Sefo Fokontany kosa dia nanome toky fa hiara-hiasa amin’ny Kaominina . Niverimberina tamin’ny fitarainan’ny Sefo Fokontany ny momba ny fitsinjarana ny rano sy ny fahasimban’ny lalana, teo koa ny tsy fahampiana eo amin’ny EPP ho an’ny faritra sasany eny amin’ny Boriborintany faha 6.

Nilaza ny Ben’ny Tanàna fa mbola hitohy ny fidinana ifotony izay ataony.

.

cua-sy-fokotany6

cua-sy-fokotany7

cua-sy-fokotany11

cua-sy-fokotany15

cua-sy-fokotany14

cua-sy-fokotany9

cua-sy-fokotany13

cua-sy-ny-fokotany4

cua-sy-ny-fokotany2

cua-sy-ny-fokotany5

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s