« Andao re a », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

Ndao Mamitiana

.

ANDAO RE A

 

Na aza ianao hitoraka
Hanome tsiny ny hafa manodidina
Nomena ny « safidy »
Na ianao hiakatra, na ianao hidina

Na aza ianao tomany
Tsisy mpihaino intsony, akory na hitsetra
Ianao tompon’andraikitra
Ary tsy ianao irery no mizaka sy misedra

Na aza ianao ketraka
Kivy fa miaritra ny mafy indrindra an-tany
Aoka hitadidy
Misy ao mitrotrongy, fa ao izy ao hatrany

…Lazaiko anao marina dia marina tokoa

Tsy famoizam-po, tsy fifanomezan-tsiny
No hanova ho paradisa ny tany feno haizina
F’izaho sy ianao…
Ianao sy isika izao
No tsilo fahazavana raha vonona hifameno
Hanarina izay lavo, hahay hifampihaino

Tsy foana hifanebaka no tokony ho androtsika
F’adao hiara-hirodona
Hiara-hamadi-bainga
Hirohotra eny an-tsaha
Hiezaka, hilofo
Andao roy hisalahy

Hanamaitso indray ity Nosy

Mamitiana Randrianarison , NARY
22/02/2017

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s