Marc Ravalomanana, Johanessbourg-2009…2018 (fifidianana).

2009

Bande annonce.

Filoha Ravalomanana : « Tsy misy manaiky lembenana izany eto »

 23/02/2017.
ravalomanana_fifidianana_2018.jpg

Niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly maraina ny Filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana. Nahitsy ny teniny. Hirotsaka hofidina izy amin’ny taona 2018, ary tsy manaiky ny ni…ni , na fanilikiliana kandida , araka ny efa voizin’ny mpanao politika sasany. Tamin’ny tsy naha teto an-toerana ahy hoy izy no nisy an’izany, fa izaho efa eto Madagasikara izao hoy i Dada, tsy misy hanaiky an’izany intsony. Ny fisian’ny fanilikilihana hoy ny filoha Marc Ravalomanana dia hiteraka krizy vaovao indray, ary tsy manaraka ny demokrasia rahateo izany, ka tompon’andraikitra tanteraka amin’izay mety hitranga eto amin’ny firenena izay mbola miresaka izany ni…ni izany ihany hoy izy. Koa tompon’antoka amin’izay zavatra mety hitranga ny fitondrana. Notsindriany koa fa tsy tokony hiova ny fotoanan’ny fifidianana filoham-pirenena.

Manoloana ny « accord de Cotonou » indray dia nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana fa na ny mpitondra amin’izao fotoana aza dia tafiditra ao anatin’io fifanarahan’i Cotonou io koa satria ireo mpanongam-panjakana sy ireo niara-dia taminy hoy izy dia tafiditra amin’izany. Nazavain’ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara fa resaka efa lany andro ny fanilikilihana kandida . Ny maha-maika izao dia ny fitadiavana ny fomba ahafahana miaro ny fifidianana tsy hisian’ny hala-bato.

Manamarika koa ny antoko Tiako i Madagasikara fa tokony hahaleotena tanteraka , tsy ambany fitantananan’ny fanjakana ny CENI na ny vaomieram-pirenena mahaleotena mikarakara ny fifidianana, ary ny lalàna mifehy ny fifidianana amin’izao endriny izao dia manome vahana fotsiny ny fanjakana. Mikasika ny fanapahan-kevitra tao amin’ny filan-kevitry ny tanànan’Antananarivo manaiky ny fanomezan’ny orinasa Tiko ny tany eny Andohatapenaka, hametrahana ireo fiarakodia miditra fourrière, nefa nofoanan’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, nilaza izy fa haverina hodinihana ao amin’ny filan-kevitry ny tanàna indray izany, hampidirina amin’ny lahadinika ara-dalàna ary efa hiantso fivoriana tsy ara-potoana amin’izany ny mpanatanteraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, tsy misy manaiky lembenana izany intsony eto hoy izy, amin’ny maha-mpanolotsaina manokan’ny ben’ny tanàna azy koa no nilazany izany. Momba ny filazan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena fa tsy tokony hitsabaka amin’ny fikarakarana EPP ny Kaominina, nilaza izy fa ny Kaominina no mpiahy sy tompon’andraikitra voalohany amin’ireny sekoly fanabeazana fototra ireny, izany dia araka ny didim-panjakana N°96-169 tamin’ny 9 martsa 1996.

Momba ny fanokafana ny haino aman-jery MBS, nilaza izy fa hojerena akaiky ny fanafainganana ny fivoahan’ny didim-pitsarana mahakasika izany, ny fisian’ny loharanom-baovao maro no maha mafy orina ny demokrasia eto amintsika. Mikasika ny tany etsy Andohatapenaka voalaza fa nomen’ny fitondrana ny kaompanian-tsolika Total, ny titre- ny tany hoy izy dia mbola aty amiko, ka amin’ny fomba ahoana no ahafahany hanangana zavatra eo amin’izany tany izany sa efa voatsindry tanteraka koa ny fitsarana ka tsy hanaraka ny rariny sy ny hitsiny ?

Isambilo / http://gvalosoa.com

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s