« Ry mpitondra isany », Jean-Luce Randriamihoatra.

j-randriamihoatra

#FiarahamoninaTENY TSY MISORONA

Ry Mpitondra isany,

Tena tsy mahatsapa ve ianareo fa mikorontana ary ahiana ho tsy azo fehezina intsony ny fiainam-pirenena ?

Tsy mitovy marina ny fomba fijerintsika, satria (aminay) tsy ny fisehoana fa manapaka ruban etsy sy eroa, tsy ny fizaràna mari-boninahitra etsy sy eroa, tsy ny fanoloana Ben’ny Tanàna etsy sy eroa, tsy ny filazàna fa nahazo volabe avy etsy sy eroa, tsy ny fampisehoana fitaovana omem-bahiny etsy sy eroa, tsy ny famalifaliana amin’ny tabilety etsy sy eroa, … sy ny sisa …

Tsy any intsony aloha ny resaka raharaham-pirenena ary koa ny mahamaika, ankehitriny … fa any amin’ny fiaraha-monina sy ny fandriampahaleman’ny Vahoaka mivantana.

Aiza ve ka dokotra iray no isavoritahan’ny Iray Tanàna, ka amoizana Ain’ny Polisy, Ain’ny Vahoaka ?

Aiza ve ka fitrandrahana an-kerisetra no hanjakàna ?

Aiza ve ka fanafihan-jiolahy no iainana eny an-dàlana, any an-tanàna, … ?

Aiza ve ka fahafatesana no setrin’ny fidirana any amin’ny toeram-pitsaboana noho ny tsy fananam-bola ?

Aiza ve ka fandatsàna no ren’ny be sy ny maro rehefa sendra loza ?

Aiza ve ka lainga marivo tototra no tatitra lazaina amin’ny Vahoaka ?

Aiza ve ka kolikoly no manempotra amin’ny aleha n’aiza n’aiza ?

Aiza ve ka voatery hitsara mivantana ny Vahoaka ?

Ry Mpitondra isany,

Tsy misorona izahay.
Ianareo no loha, raiamandreny nandrasana …
… saingy aleo miala rehefa tsy hahavita.

Jean-Luce Randriamihoatra.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s