Marc Ravalomanana, Fifidianana 2018. Ny Fikambanana GMM (Gasy miasa miaraka).

.

Ravalomanana tany Antsirabe “1er tour dia vita…”

06/03/2017

Tonga niatrika ny fambolen-kazon’ny Distim ny filoha Ravalomanana Marc ny sabotsy 4 martsa lasa teo.

Ankoatra ny fambolen-kazo dia nanamafy ny firotsahany hofidiana amin’ny taona 2018 ny tenany. Tsy hisy hahasakana ny firotsahako, hoy ny tenany, satria efa ireo vondrona iraisam-pirenena mihitsy no nampandre azy fa misy ny mitetika indray ilay “Ni ….ni”. “Efa eto aho izao”, hoy izy hentitra fa tamin’ny tsy nahateo ahy no nisian’izany. Natao daholo ny fanakanana ahy tsy ho tonga teo saingy inty aho izao, nosakanana tsy hifandray tamin’ny olona aho teo aloha rehefa tonga saingy izao aho mihaona aminareo. Mbola matanjaka ny TIM, hoy hatrany ity filoha nasionalin’ny Tim ity, matoa manana Ben’ny tanàna 150 ary solombavambahoaka 21 ka tsy misy mampatahotra any amin’ny fifidianana izany.

“1er tour dia vita”

Nambarany fa tsy mbola fampielezan-kevitra no ataony satria misy ny milaza fa mampiomana ny mpomba azy ho vonona hiatrika ny fifidianana. Nohamafisiny fa i Vakinankaratra no hiaingan’ny hetsika rehetra hiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018 ho avy io ary mbola vonona ny amin’ny “1 tour dia vita” hatrany izy sy ny mpomba azy. Tany Antsirabe no nampahafatarany ny hitsanganan’ny fikambanana G.M.M na ny “Gasy Miasa Miaraka”, izay fikambanana hampivondronana ireo mpomba azy izay tsy voatery hiditra TIM sy hampivondronana indray ireo mpomba azy nisintaka tao amin’ny TIM. Nambarany fa tsy matahotra an’iza na iza ny tenany amin’ny 2018, satria samy hanao izay hahalany azy ny rehetra satria efa miomana amin’ny fametrahana sy fanetsehana ireo mpomba azy izy miaraka amin’ireo efa nanohana azy hatramin’izay sy ireo mbola te hanohana azy. Nandritra io sabotsy io no nanolorana ireo mpitarika vaovao ny Distim Antsirabe voalohany. TiaTanindrazana.

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s