8 Mars 2017. Lalao Ravalomanana, ny Zon’ny vehivavy. Zoe Sarah Ravaonirina.

.
Teny fiarabana ny vehivavy rehetra noho ny fetin’ny 8martsa nataon’ny ben’ny tanana Lalao Ravalomanana
.

RY VEHIVAVY MPIRAY TANINDRAZANA

Mahatsiaro misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika fa nahatratra izao fanamarihana ny zon’ny vehivavy maneran-tany izao. Henin-kaja henim-boninahitra isika vehivavy isan-tokantrano sy isam-pianakaviana noho izany fananantsika Zo sy Hasina izany. Tsy afaka nankalaza izany toy ny fanao isan-taona isika anio, noho ny andro ratsy.

Isika vehivavy tokoa mantsy no fitaratra sy miantoka ny fampandrosoana ny ankohonana sy ny Firenena ; Andraikitra goavana no sahanintsika eo amin’ny sehatra rehetra izay misy antsika , ka tokony miaraka amin’ny Finoana sy ny Fanantenana ary ny Fitiavana izany.

Amin’izao vanimpotoana iainantsika izao, dia tsapa fa mbola misy ny tsy fanajana ny Zon’ny vehivavy amin’ny endriny maro, toy ny teritery sy ny sakatsakana samihafa, noho izany dia mampahery antsika vehivavy tsy ankanavaka aho, mba hanana finiavana hatrany, hiatrehana ny ho avy mendrika sy sahaza ary hahasoa ny rehetra.

Tena zava-dehibe raha ny mpitondra no mahay mampitodika ny vahoaka amin’Andriamanitra, amin’ny maha maodely tokony ho alain-tahaka azy satria marina tokoa fa ny Fanahy no Olona, koa METEZA ARY ISIKA HO TEFEN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA.

Eto am-pamaranana, dia miombom-po amin’ireo mpiray tanindrazana rehetra niharan’ny fahavoazana tamin’izao fandalovan’ny andro ratsy izao ny tenako.
Ary dia miangavy antsika mponin’Antananarivo koa, mba ho mailo hatrany amin’ny loza mety hitranga.

ARAHO TSARA NY FEPETRA FANAMBARANA LOZA IZAY HOMENA ANAO
HENOY NY RADIO JEREO NY TELEVISION
AROVY NY AINAO

HOMBA ANTSIKA MANDRAKARIVA ANIE ANDRIAMANITRA !

Ny Ben’ny Tànana

RAVALOMANANA Lalao

.

Fampitambaovao avy amin’ny CUA. , noho ny toetr’andro dia foana avokoa ny fankalazana ny 8 martsa izay saika atao ao amin’ny lapan’ny tanana Analakely anio. Ampitapitao

Arp Helisoa

.
Filohan’ny Vot, Zoe Sarah : « Misokatra ny varavaran’ny CUA »

Nitondra fanazavana manoloana ireo ambara fa fitsikerana befahatany sy fanasoketana nahazo ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao, tato ho ato, ny eo anivon’ny Vondron’olon-tsotra (Vot), omaly. Nambarany fa ilaina ny fifampiresahana, arahina asa. “Misokatra sy midanadana ho an’ny rehetra ny varavaran’ny ben’ny Tanàna… Midika fahalemena ny fihetsiky ny sasany ireny… Tsy mety ny mifampitsikera raha samy tompon’andraikitra sy olom-boafidy. Samy manana andraikitra ka tokony hifameno sy hiara-kiasa ho amin’ny fampandrosoana ifotony”, hoy ny filohan’ny Vot,  Zoe Sarah, omaly.

Nohitsiny fa tokony hanana endrika tsara sy ho fakan-tahaka eo anoloan’ny vahoaka ny mpitantana rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny lalàna, ny fiantohana ny filaminana sy fitoniana. Momba ny fampiasana ny vola 200 tapitrisa Ar, avy amin’ny komitim-paritry ny fampandrosoana (CLD), mazava ny nambarany. “Miara-mitantana ao anatin’io ny depiote sy ny ben’ny Tanàna ary koa ny eo anivon’ny distrika… Ilaina hatrany ny fanetrentena sy ny fifampiresahana. Itakiana vokatra koa anefa izany amin’ny alalan’ny asa eny ifotony”, hoy ihany izy.

Ankoatra izany, notsiahiviny fa anisan’ny fanambin’ny ben’ny Tanàna ny fidinana ifotony  hijerena ny olana sy ny manahirana ny vahoaka ary koa ny resaka fotodrafitrasa. Niantso ny rehetra koa ny tenany mba tsy hanaiky horangitina fa hiara-kientana ary hanatanteraka ny asa. “Aoka tsy ho be resaka fotsiny”, hoy ny Vot.

Synèse R.  Newsmada.

.

.

 

 

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s