Marc Ravalomanana-Arivonimamo, 11/03/2017. Momba ny MBS. Video.

Gazety Valosoa Rakoto. 12/03/2017.

Tsarao amin’ny filankevi-panjakana (conseil d’état) ny fanokafana na tsia ny haino aman-jery MBS

 

Nanatanteraka fambolen-kazo niaraka tamin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany amin’ny distrikan’Arivonimamo androany sabotsy ny filoha nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana. Nanatanteraka izany fambolen-kazo manamorona iny lalam-pirenena voalohany miditra an’Arivonimamo iny ihany koa ny vehivavy TIM any an-toerana, ny fikambanam-behivavy Meva,… Nambaran’ny filohan’ny TIM, Marc Ravalomanana tamin’izany fa efa fanaon’ny antoko isan-taona ny fambolen-kazo toy izao, ary vao tamin’ny herinandro izy no niara-nanatanteraka izany tany Antsirabe.

Miara-miory sy maneho firaisan-kina amin’ireo niharam-boina sy tra-boina noho ny cyclone na ny rivomahery Enawo nandalo farany teo, teto amintsika izy ny antoko tarihany. Vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny zavatra toy ireny hoy izy, noho izany mila mitandrina sy miomana mialoha ho fiatrehana ireny. Mikasika izay indrindra, nilaza ny filohan’ny TIM Marc Ravalomanana fa raha navela nisokatra ny haino aman-jery MBS, mety tsy toy ireny ny zava-nitranga satria nisy ny tsy fahampian’ny serasera hoy i Dada nandritra ny fandalovan’iny rivomahery iny. Noho izany dia miantso ny filan-kevi-panjakana na ny conseil d’état hitsara ny raharaha MBS. Efa tamin’ny taona 2015 hoy izy no nalefa tany amin’ity sampam-pitsarana iray ity ny momba ny MBS nefa mbola tsy misy valiny, mbola tsy notsaraina hatramin’izao izany ho fanokafana ny haino aman-jery MBS izany.

Efa nisy hoy izy ny fihaonako tamin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina momba ity raharaha ity, nanaiky izy ny ho fanokafana ny haino aman-jery ary noho izay filazan’ny filoha izay, najanona koa tamin’izany fotoana izany ny hetsika tao amin’ny Magro Behoririka. Efa naseho ny fianakaviambe iraisam-pirenena hoy ihany ny filohan’ny TIM ny antontan-taratasy fitoriana momba ny raharaha MBS eny amin’ny filan-kevi-panjakana, ary any amin’ny mpisolovava koa izany. Noanteriny fa tsy manana fomba hifaneraserana amin’ny mpomba azy izy raha tsy misokatra ny MBS, noho izay antony izay, mety heverina indray ny fihaonana isan-kerinandro mba hifampitam-baovao sy hifaneraserana amin’ny mpikatroka. Nambarany tamin’ireo mpikatroka TIM tany Arivonimamo ny tokony hitsarana haingana io raharaha MBS io satria mandringa amin’izao fotoana ny demokrasia eto Madagasikara, maro hoy izy ireo haino aman-jery misokatra ankehitriny, nefa nahoana no tsy havela hisokatra ny MBS? Tsy hanao fihantsiana izahay ao, na hiteniteny foana hoy i Dada namarana ny lahateniny. Nanotrona azy tany Arivonimamo ny depioten’Arivonimamo, Rodin Rakotomanjato, sy ny depiote Guy Rivo Randrianarisoa.

 11/03/2017.

Maro ireo TV sy Radio FM Misokatra any amin’ny faritra fa indrindra eto Antananarivo. Hatreto dia tsy manome alalana ny MBS hiasa ny fitondram-panjakana. Fitongilanana sy tsy manaraka ny lalàna ny serasera izany. Fihetsika mifono fankahalàna sy fanilihana izany. Mangataka indray izahay avelao hisokatra sy hiasa toa ny rehetra ny MBS TV sy FM.

Ravalo Arivonimamo1

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s