« Antsakabary », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

  1. befandriana-avaratra-5-jlrandriamihoatra

    .

    ANTSAKABARY

    Tsy misy teny intsony
    Afaka mamaritra izay fetra sento anaty…
    Mandrongatra ato anatiko
    Asa na dia inona…noho izay valifaty
    Nodorana jiaby, ny trano sy ny akaniko

    Tsy haiko…
    Tsy takatry ny saiko
    Angamba izay lalàna teren-ko lolohavina
    Ireo hialoha hitandro ary tompo-pahefana
    No zary mamohehatra sy indray toa mahatsiravina
    Manampatra hagaigena, efa ho tafahoatra
    Isaky izay mihetsika, dia tia manararaotra

    Nirongatra ny mponina…
    ka fitsaram-bahoaka

    Dia izao…
    Sahy tokoa ny anao…

    Mitena koa hoe rariny ny rehetra valifatiny
    Jamba tanam-polo sy anti-bavy… Matiny
    Ireo tambanivolo…Ireo no izao setraina,
    Ireo no izao ratraina…Mbola novetaina
    Hadino ilay maha-olona… Tsy nisy niasa saina

    Marary…
    Marary ho’aho ny taniko
    Very soa toavina,
    Mba sisa nandrianiko

    Maninona…?
    Maninona ilay gasy…?
    Ilay gasikely ihany no iharan-tsotasota?
    Mpitondra ireo mangalatra vokisan-dokadoka
    Mambotry anay vahoaka, mahantra, mahonena
    Tsy hitanay nigadra ireo mpibizina andramena

    Dia gasy…gasy tompon-tany
    Gasy rahalahy no nanaovana habibiana…
    No nampiharan-dreo izay rehetra rehetra tiany
    Indreo nampandohalihana, linako vodibasy
    Ireo namango ireo, tsy dahalo na malaso

    Izahay no izao dontoina tsy hiloa-bava intsony
    Fohano sy fongory hoe izay rehetra lonilony
    Kanefa ny aminay sy kely nohariana
    Nodoran-dreo tsy vanona, natao fanahy iniana

    Tomany…
    Mainty avokoa ny lanitra sy tany
    Izany no tatÿ…Vinao kisarisary
    Fa izay no zava-nisy, tatÿ ANTSAKABARY

     

    NARY , Mamitiana Randrianarison.
    Martsa 2017

    .

    Mamitiana Randrianarison

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article a été publié dans Non classé. Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s