« Ambanivohitra », Nitiah Nosy.

Nitiah Nosy trano bongo

.

AMBANIVOHITRA

 

Trano bongo fetan-tany,
tafo herana na bozaka,
vakivakian-dàlan-tany,
raha fahavaratra namotaka!

Akoho no hita mikarenjy,
manilika ny vary mihaha!
Sarety mifamezivezy,
na an-tànana na an-tsaha!

Taninandro andrefan-trano,
teny no nifampitaona;
nanalana hamohamo,
ny folakandron-dohataona!

Injany koa misàsasasa,
ny fisosan-drenirano;
eo ny ankizy no misasa,
nifanaretsaka an-domano!

Dona-tsetroka no tazana,
mivoaka isan-tokantrano;
fa takariva amorom-patana
fitantaran’Ikaky angano!

Masoandro mody no nandoko,
izany faravodilanitra;
manoatra noho ny hosodoko,
raha natao tazan-davitra!

Nitiah Nosy – Poeta

.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s