Marc Ravalomanana, Sandratra Razafindratsimba. Mars 2017.

Hanaratsy an-dRavalo ve no atao tanjona

Hanaratsy an-dRavalo ve no atao tanjona
Nefa iny izy zao, miriaria tsy voaronjona
Nalatsaka ambovoka iny nénay
Mamiratra foana mandrakizay

Tsy te-hampitàha, ndrao hoe manaratsy
Nefa ny saina maloto no vatsy
Amin’ity loha-malemy tsy mbola mikatona
Ny mission vita, ny sôsy manantona

Tsy te-hamaly ny iray, ialàna kabary
Porofoin’izany ny 26 janoary
Dia nibitika i Lita fa hoe magnifique
Nanao babo anjombona, moh tsy zanakalika

Nanafika lapa, averiko hatrany,
Natao ny week-end, ny 7 febroary
Tsy tàna ny alina fa niditra Antsiva
Nitomàny nigogo fa nanenina ihany

Ny volana febroary sy marsa indray
Taona sivy sy roa arivo ihany izay
Teo vao hita ny tsy nampino
Indreo ry boto fa minisitra hono

Teo ankianja, natolotra daholo
Anarana izao, ny an’ireo mamba noana
Nomena mission hanao herisetra
Hamaky birao sy hanao amboletra

Tsy nety afa-po dia naverina ihany
16 marsa, alatsinainy ‘ndray tamin’izany
Inty ny tank be fa vonona handòna
Ny vavahadin’ny Lapa no tiana hikoro

No-calculer-na ny hetsika rehetra
Iarivo tabaina, tsy avela hitoetra
Satria ny tanjona tena voretra
Hametraka olona tsisy fepetra

Naleon’ilay hendry nanipy gants
Fa ileireto tsy mba combattants
Ny liandrà sy ireo mpandroba devant
Atsipiko ity ozizy fa … pardon

Dia nisintaka alavitra ny tena grand
Faly ry bitika fa hoe gagnants
Roso ny dia, plan pour 2 ans
Tena diso anefa fa hay tsisy visions

Modiana adino ny hakanton’ny gasy
Fa saina lomorina sisa no hapàsy
Nen’ireto ts’izany fa asio débâts
Ny zavadrehetra ahitàna tatàsy

14/03/2017.

Sandratra Razafindratsimba

Raha fanaratsiana atao taralila

Raha fanaratsiana atao taralila
Angadinareo io, tsy mila valiana
Hevitra ny eto no atao avo lenta
Mazava izao ireo tia vetaveta

Sasatra foana hanaratsy ny soa
Latsaka ambovoka ireny, mamiratra foana
Norobaina ny azy, nofofoina ny ainy
Dia ireo vahoaka no viraviraina

Novahana ny rojo, namakiana birao
Tsy fomba vaovao reny lazaiko anao
Fa ketrika loto sy ainga vao
Ahazoana mandrapaka lapa no hatao

Tsy sahy an’Iarivo raha nasaina nifidy
Hany hery natao nitsipaka adidy
Soa fa teo i Kala Vavàna
Dé roboka tao ry adala sanàna

Fa ivereno anie ny filohampirenena
Camille tsy lany, i Hery nalemy,
fa i Edgard aloha no saika tereny
Tampoka teo vao tonga saina
Tsy gaga am’zany fa hay moh
tsy mbola mikatona ilay loha-malemy
K’inona no teo … kay nanokatra fery

14/03/2017.

Sandratra Razafindratsimba

Dia niaraka gaigy hoe androdana jadona

Dia niaraka gaigy hoe androdana jadona
F’inona anefa no mba tena tanjona
Fitaka no hita, abobo sy hanjona
Ny vitan’i Dada no nahatalanjona

Navoaka ny lainga, nenti-miampanga
Notsaraina i Dada hamenoana ny banga
Kay fitsarana mahasolanga
Ity notatatataina fa hoe tena manga

Navoaka ny didy, narànga ny tady
Tsy maintsy gadraina iny fa tena bandy
Inona anefa fa hay tena vandy
Satria ny Notam no mba tena angady

Soketa sy tsaho no nafafy teto
Mba ho enti-manohitra ny tena betro
Tsy velona ny sasany raha tsy nanonona
Ny anaran’i Dada tsy maintsy voatonona

Namaky vavahady, nandrava birao,
Nanafika lapa fa hoe mpitondra vaovao,
Nohenoina izy rehetra dia hoe tsy te-hanandratsy
Kay lozabe ‘ty volondôranjy

13/03/2017.

Sandratra Razafindratsimba.

Sipan’i mama ngaha hono i Dada, pfff

Hay tsy mazava ny antony nialàny
Tsotra be, tsy fitiavana rà, tsy tiany izany
Raha nijanona teo izy, ka namaly bontana
Moa tsy ianareo no tràn’ny haromontana

Ndryyy … Fitiavana hanitsy ny fandrobàna
Dia hazavaina fa hoe fahantràna
Nalefa namaky sy niliba
Vahoaka leo hono reny … nefa nanimba

Dia iva fisainana, manazava ny hoe Dada
Ka ny hoe sipa no arangaranga
Hajao ny mamanao raha tena ka dada
Fa raha i Ra8 tsy hameno ny banga

Jamban’ny vola sy harena hitobaka
Kanefa mazava ny pasy tolaka
Milaza tsy tia sy leo vary mohoka
Kanefa ny saina tia holakolaka

Fanantenana tena diso toerana
Ka ny anaran’i Maire no averimberina
Hatreto anefa, tsy sahy mamoaka
F’izay anarana rehetra tena vakiraoka

14/03/2017.

Sandratra Razafindratsimba

 « Tazonkarena sy ory hava-manana »

« Tazonkarena sy ory hava-manana »
Vao mandre an’izay ‘zao dia taitra ny namana
Kanefa mazava fa tena nisy nibaiko
Ny ankoatr’izay tsy mila hazavaiko

Voaporofo ankehitriny fa lohan’angidina
Namafy lainga no tena mba dingana
Fa raha jerena ny zava-misy
Iza hoy ianao no tsara vintana?

Nobadoina ny Gasy, novokisana tsaho
Fa i Ravalo tsy tia anao
Ireo taona maro namafazana lainga
Dia tohizana indray satria hita izy fa hiainga

Tahotra sa hakanosàna tsotr’izao
Ka harànga indray ny ankilabao
Ni … Ni … sy ny atero-kalao
No ambetin-tenin’ireo Vaovao

Raha ny Viva, SkyOne sy ireo tsy tia
Zarany aza Ravalo hipitika ery
Ny AZ Radio, nampiana On Air sy Free
K’inona fa tsy manimanina nostalgie

14/03/2017.

Sandratra Razafindratsimba

.

ravalomanana-a6

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s