Malagasy-Madagasikara, Nitiah Nosy. 2017.

Malagasy aho,

Malagasy aho, hireharehako izany,
asakasakao ho menamenatr’ ihany!
Na mody hieboebo fa malagasy ra,
ny teo-tsaina nefa: « loko-na vazaha! »

Malagasy aho, hajaiko ny fiteniko,
ny maha-gasy ahy tsy afenimpeniko!
Ianao angaha no asa: hanosihosy azy,
nefa tsy mihamba, mitonona ho gasy!

Malagasy aho, efaiko ny anjarako,
hitaiza sy hikolo, hanefy ny taranako:
ho Gasy tena gasy, fa tsy sarintsariny,
hiasa, hikely aina, hanarina ny taniny!

Raha Malagasy ianao, manaova toy ny ahy,
koloy ny maha-gasy, fehezo ny am-bazaha;
‘Ndeha hiara-hientana fa tsy hilasilasy,
fa tsisy tsy nandroso, izay nanaja ny « AZY »!

Nitiah Nosy

FAHAVALOM-PIRENENA

Satria anananao ny hery
dia manitsaka ny kely?
Am-pelantananao ny basy
dia mampijaly malagasy?

Satria ve tompom-pahefana
dia misitraka hadalana?
Fa be galona sady sefo
dia tsindrina ny marefo?

Mba Malagasy ihany ve
izato ianao mirehareha?
Sahy manao ny tsy fanao
amin’ny Gasy toa anao?

Ilay « hery » atao mba « hiaro »,
no nanjary fahavalo!
Tena herim-pamoretana,
ho fiarovana ny henjana!

Aleo ho tsoriko ny resaka:
ny toa anao no mila ajedaka;
fa FAHAVALOM-PIRENENA,
vahoaka resy no hosena!

Ny volana iny anie ho « tsinana »,
misy koa ny ankodimirana,
any angaha ka an-kitsaoka?
Ry ‘lay mpamoritra vahoaka!

Nitiah Nosy

Ho an’ny TOLOM-PANAFAHANA!

Notsiahivina isan-taona,
fa nisy tolom-panafahana;
nefa aiza izao toa zava-poana?
Sarintsarim-pahafahana!

Indrisy mbola voazanaka,
‘ty fireneko ankehitriny!
Nanitsoka azy any an-davaka,
‘zareo rajakon’ny vahiny!

Nobadoina ny vahoaka,
Nanaovana ady an-kafetsena,
handroban-“dRabefandroaka”,
ireo harenam-pirenena!

Mainka koa nampahantraina,
hitakiky, ho faty noana;
dia naetriny ara-tsaina,
mba hanaikinaiky foana!

Dradraina fa tsy mandohalika,
sy andalam-pandrosoana;
hay ireny velam-pandrika,
nentiny aza hanesoana!

Iza moa no tsy niandrandra,
ireo mpitondra mba hanirina?
Fa mainka nampivandrandra,
nameno paosy dia nimpirina!

Ka rano tan-damosin-gana,
ny Ain’ireo « mahery fo » !
Ry Malagasy mitsangàna,
Ndrao tara loatra vao hifoha!

Dia tsy ho rararara-poana,
ny Ràm-pitiavan-tanindrazana;
f’izao indrindra no fotoana,
hitakiana izay nogiazana!

Ny HAMBOM-PO MAHA-MALAGASY,
no fomba fiady tsara hananana,
fanoitra iray ho solom-basy,
ho an’ny TOLOM-PANAFAHANA!

Nitiah Nosy

Dia fahaleovantena ve?

Vahoaka resy, lany haiky,
tsy manam-pidy fa manaiky;
azon-tsindry hazo lena,
moa ve fahaleovantena?
Ny fombafomba sy fiteny,
tsy gasy intsony ra’ jinery!
Ny toe-tsaina voazanaka,
Dia izany ve no AFAKA?

Gasikara mitanondrika,
rera-dava ka milonjitra !
Gasy mihafadiranovana,
eo andalam-pahalovana!
Mitamby etsy sy eroa,
tena mbola miankin-doha!
Ny tarigetram-pahafahana,
no efa mikorosy fahana!

Indrisy fa mihamilentika,
miletsy, efa diva ho fefika,
Mampanontany tena hoe:
Dia fahaleovantena ve?

Nitiah Nosy

ATSANGAKO NY SAINA….

Atsangako ny saina fa ataoko malahelo,
satria i lafrantsa mbola eo mihelohelo!
Nandamoaka mantsy ilay tolom-panafahana,
fa endrika hafa izao no isehoan’ny fanjanahana!

Atsangako ny saina fa ho tsindriko kosa,
ny ahy ho antso vonjy sy ho fambara loza!
Fa efa an-dohalika tokoa ny ranom-bary,
‘ty fireneko mantsy, efa tsy zarizary!

Atsangako ny saina, saingy hitomany,
“Tsy hiteroterona” fa ho etsy ambanimbany!
Fa Malagasy maro no zara raha miaina,
miharitra ny mafy, tsy afa-mitaraina!

Atsangako ny saina fa hitampimpify,
satria manongo tena sy menamenatr’izy!
GASY ihany mantsy no sahy manisy ratsy,
mambotry firenena, mampandohalika azy!

Atsangako ny saina satria aho Malagasy,
saina hitanondrika, mbola hihafihafy!
Asa aho rahoviana vao haneho malalaka?
« Saina hirehareha » fa « Gasikara afaka! »

Nitiah Nosy

Ny fianana eto aky a!

Ny fiainana eto aky tsy vitan-tsento sy taraina a!
Tsy maintsy manamafy fo ary manatanja-tsaina!
Ra’ mandia ny tany indry mety ho potraka ihany,
reseo retsy ny hakiviana, aleo miarina hatrany a!

Ny fiainana eto aky tsy vitan’ny an-kiandriandry a!
Miezaha hahaleotena, ho vehivavy tsy mitamby!
Ny hery angaha no tsy mitovy, nefa na izany kosa,
ny herin-tsaina hamboniana, tsy ho naman’ny kanosa!

Ny fiainana eto aky tsy mba vita am-bava izany a!
Ny fandemena tsy ho foana, ra’ tsy arahan’asa hatrany!
Ka hisikino herim-po ‘reo tsindry maro mianjady,
Indry ‘ra te hitovy ZO, tsy maintsy miezaka sy miady!

Nitiah Nosy

IZAHAY

Hohaninay ny ampangonay,
fa tsy asianay ahiahy!
Mainty dotran ny kitay,
io no misy: ampy izay!

Tsy manara-toetr’andro:
ny kapa fingotra sy akanjo;
ireo no takatray manko!
fa tsy afak’izahay hihambo!

Eh! Trano bongo teritery,
tokam-baravarankely!
toa tsy mampino velively,
hoe higohanay tantely!

Fa tsihy tokana ihany,
no nandriana dabo-tany:
Kanefa indrisy na izany,
nahazoanay nofy mamy!

Fa ny anay ny tsy fisiana,
tsy laroinay hakiviana!
Izay misy no hifaliana,
sy raisinay hampitsikiana!

Ny kely eo ampelantanana,
no hikatsahana fiadanana!
Ka rahatrizay mba manana,
tsy ho tampoham-pahasambarana!

Satria ‘zahay na mafy ady,
tsy olon-dresy fa mitady!
Sanatria ny handadilady,
mahatoky ny herin-tsandry!

Nitiah Nosy

‘Zaho tsy fanaka malemy!

‘Zaho tsy fanaka malemy ,
aoka kely ialahy hitandrina!
Amboamboary ‘ty fiteny,
‘ra tsy te ho vaky handrina!
Tsy izaho no hamaky azy,
ny ataon’ialahy no hitamberina!
Ry mpanambany vehivavy:
ovao ny fomba tsy hanenina!

‘Zaho tsy fanaka malemy,
ampahafantariko an’ialahy!
F’angaha ‘zaho ra’ tsy miteny,
dia mandà ny hifampitaha?
Tsy sanatria mizahozaho,
fa misy mila ahitsy kely:
‘reo ratsy fomba amam-panao,
Miseho manjakazaka an-kery!

Nitiah Nosy

TSOTSOTRA FA MILAY -1-

Fitafy tsy mba raitra,
natao vikan-jaitra,
sy lamba bemiray:
tsotsotra fa milay!

Volo bango tokana,
tsy naolankolana,
fintinina ho iray:
tsotsotra fa milay!

Endrika miavaka,
tsy laroina ravaka,
mitsiky lava izay:
tsotsotra fa milay!

Maotina fihetsika,
tsy zazavavy pelika,
fa gasy ranoray:
tsotsotra fa milay!

Nitiah Nosy

TSOTSOTRA FA MILAY – 2 –

Varisoa mena,
tsy nilaofan-kena;
tapohan-drom-petsay:
tsotsotra fa milay!

Rano tsy mba mamy,
fa ranovola ihany;
sotroina mahamay:
tsotsotra fa milay!

Notafoina bozaka,
natao feta-potaka;
‘lay tranon-drazanay:
tsotsotra fa milay!

Voadidin’alam-pary,
sy nahavoka-bary;
‘zay ny « eny aminay »,
tsotsotra fa milay!

Gasigasy gadona,
sy dihy mijadojadona;
‘lay vakodrazanay:
tsotsotra fa milay!

Tsy dia be filirony,
fa nisinisy tsirony;
‘ty “poezia” iray:
tsotsotra fa milay
Mody fahatany,
fa nirima ihany;
voaporofo indray:
ny TSOTRA no milay!

Tehaka lehiretsy e!!

Nitiah Nosy

MOFOGASY

Mofo boribory kely,
Miendrikendrika kodiarana;
Tsy mba lafo velively,
Jereo ange fa ilaharana!

Tsy ‘lay sarotra zahana,
fa hita etsy sy eroa!
Ra’ sendra azy vao mafana,
Tsy mionona amin’iray sy roa!

Arahan-kafe io na dite,
« tsiro » izany anie ry ireto e!
Fotsiny amboloy ange,
‘ty fofony manentohento!

Ela no efa nanandramako,
ireo karaza-mofomamy;
f’iray no tsiro tena tsy afako,
ny an’ny « mofogasy » izany!

Nitiah Nosy

KILALAONAY TALOHA

Etsy kely ange ianao,
hitanisako kilalao:
‘reo kilalaonay fahiny,
tsy naka tahaka vahiny!

Vitsily sy dimbazaha,
sabaka sy ny fampitaha;
rahosijamba sy ankiafina,
sy ny mampiady ravina!

Ankamantatra, fanorona,
kivarivary sy tsinkonina;
tsobato, katro sy kifanga,
sy ny ombiomby tanimanga!

Tantara vato sy tanisa,
kalesa hazo sy gorisa;
fanenjika sy ny ara-jiro,
tsy nisy iray izay tsy natsiro!

Ny fisamborana voangory,
no nihoarana hady vory;
ka kiakiaka re izany,
raha nahafeno siny tany!

Fa tsy nitady izay tsy hita,
kapoaka goahana dia vita;
ka na ny baoritra fanary,
navadika ho kisarisary!

Tsy vitsy ny nampioson-tany,
ka nisolitika aok’izany;
nisy ‘reo nihetraketraka,
ao ‘reo natao an-talapetraka!

Nisy niharo asa saina,
nianarana izany miaina;
hatramin’ny kivadivady,
no nataonay vazivazy!

Niandahy sy niambavy,
tsy mba samy naka ho azy;
nafana ery ny totorebika,
izay niaraha-nisonenika!

Kilalao tsy nety tola,
tsy mba nosandaina vola!
Fa tsotra nanovozan-tsoa,
NY KILALAONAY TALOHA!

Nitiah Nosy

.

Nitiah Nosy e

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s