« Mailo letsy zandry », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

malagasy-flag4

.

MAILO LETSY ZANDRY

 

Mitandrema ialahy ry zandry
Fa ity tsy vandivandy
Sao zatra fetsifetsy
Sy fangalaralarana
Ka any ndrao dia iharan’
Ny fitasaram-bahoaka

Mailo ialahy ry zandry
sao dia mampamangy…
Ny pokona amin’izao
Efa vaky romotra
Mety ho tondro molotra
No handetika an’ialahy

Mailo ho’aho ry zandry
Fatsora mpisoloky
F’ireo raha mahakobo
Dia avy dia milako
Sy samy hitora-bato
Tsy te hahalala izany

Mitandrema ho ‘aho ry zandry
Ndrao vetivety dangy
Amy daroka sy ny afo
Ialahy toa fainga-tanana
Maika ho mora manana
Nefa tsy hitondra ho aiza?

Moramora zandry…
F’io tsy haben’ny sandry
No hanaovana bontolo
F’ireo raha mitangorona
D’izay ialahy f’ho sorona
Sy tsy afa-maina intsony

Mailo ho’aho letsy zandry
F’ireo anie ka miandry
Haromontana handrongatra
Ho tamy ny hanapongatra
Ny hagaigeny rehetra
Noho ny jadim-pahantrana

 

NARY, Mamitiana Randrianarison

Martsa 2017

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s