« Izaho aloha no eto », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

IZAHO ALOHA NO ETO

 

Hirahirao ao izay hiranareo
Mahazo midradra izay te hitoreo
« Izahay tena miasa » no ataovy mahampy
Mahazo miondrana izay tsy mahatanty

Vazovazoy ao ny vazonareo
Ny baikoko aloha no tsy maintsy ekeo
Izaho no efa eto…mangina, mangina
Iza no niteny hoe « izaho no fidina »?

Tabatabao ao raha hitatasiaka
Izaho koa mahay… Tsy resy dohika
Azoko atao io f’izaho no mitantana
Hoseko mihitsy izay manisy sakana

Aza miresaka aloha raha hanakiana
Ny mahaliana ahy izao dia vola vahiny
Omeko malalaka izao ny sinoa
Hitrongy izay hitany eto ihany koa

Ontsano ao daholo izay azo ontsanina
F´izaho managadra raha toa korontanina
Izaho mila anareo mba hitehaka foana
Handoka ny ataoko na voky na noana

Mahazo miteny izay manan-tenenina
Hodiako mihaino, fa izaho anie marenina
Ny vola omena ahy na madio na maloto
Dia kepohako foana fa adala tompo

Fa izao…

Raha sehoseho aho kinga dia kinga
Eny na fitokanana lavapiringa
Raha resa-tsosialy…Samia mitsikaraka
Izaho ihany fidina amin’ny taona manaraka

NARY, Mamitiana Randrianarison

29/03/2017.

Rajao a1 Rajao a2

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s