« Documentaire-Arte, sur les évenements de 1947″. Ny saribakolin’ny mpanjanatany », Beragil Narison -1947.

1947 a2

.

NY SARIBAKOLIN’NY MPANJANATANY

 

Ny saribakolin’ny Mpanjanatany
Dia miasa mangiana mihoitra any ho any
Hatramin’ny firaisan’ireo Fokonolona
Dia ny saribakoly no mpandrava ny tolona

Tolorany hevitra hinainaina
Ireo kely loha sy ireo ratsy saina
Mba hikorontana sy hisafoaka
Amin’izay dia manimba ny tolom-bahoaka

Rehefa mivory ary ireo Fokontany
Dia ny heviny no hampanjakainy amin’izany
Ka izay soso-kevitra hita fa tsara
Dia tsy maintsy voabahana no sady voarara

Ny saribakolin’ny mpanjanatany
Dia ataoko fa fantatrareo avy hatrany
Fa izy no herin’ny mpandrava laka
No sady mpanjakan’ny tsolotra gaka

Ny saribakoly efa zatra mibahana
Ka itsofohany hatraiza n’ireo fivavahana
Hataony izay hevitra mba handresena
Ka hampikorontana ny firenena

Hataony daholo izay hevitra mety
Hatramin’ny FANDORANA TAMPON-TANETY
Ka kila forehitra hatramin’ny voly
Toy izany no fiasan’ny Saribakoly

Tsy iza kanefa ireo saribakoly
Fa ireo izay manana fiainan-devoly
Tsy mety hahatsapa izay hiafarana
Fa faly manapatr’ireo hadalana

Ireo saribakoly mpanao varo-maizina
Any aoriana tsy maintsy ho faizina
Ka hitondra ny mafy sy ny mangidy
F’izany no sahaza ny mpandositra adidy

Ry saribakoly, ry saribakoly
Tsy ilay kilalaon ´ny ankizy tsy akory
Fa dia malagasy tahakan’ny tena
No tena mpamadika ny firenena

Ry mpanjanatany manao saro-tava
Aza maika ianareo fa mbola hazava
Fa ny zava-drehetra dia miandry fotoana
K’amin’izay hiariary toy ny kary am-pamoloana

Izay ela nitoerana anie bobongolo
Raha ela nitezana koa lava volo
Aoriana dia tsy maintsy ho tonga ny nenina
Ka hipoitra daholo izay nàfenifenina

Ny nenina anefa tsy aloha hananatra
F’aoriana handatsa ary tasy miambatrambatra
Koa raha lavo rahavako ovay ny famindra
F’izany no irina sy tsara indrindra.

Ary aza manaiky hatao fiasana
Na mety finganina am’ làlan-kombàna
Fa mahaiza mandinika sy mitsakotsako
Izay zava-mipoitra sao havotanao lafo

Ry mpanjanatany efa zatra nitsetsitra
Tsarovy tsara fa izahay tsy hilefitra
Ka na hiola-ko vato na hiola-ko vy
Dia tsy maintsy voavotra ity tany

Ny MALAGASY tsy maintsy mitolona
Ka ny tompon’ny hery dia ny Fokonolona
Koa na iza no hisakananna iza hibahana
Ny mpandrava laka dia tsy hahazo vahana

Koa andeha miaingà izay mahatsiaro tena
Mba ho fanavotan’ity Firenena
Avotra ity k’aza milasilasy
Mitsangàna ary isika ry Malagasy

Ny voalohany indrindra tsy maintsy ho resena
Dia ny fahavalon’ny fahaleovantena
Koa na zovy na zovy mibahana izany
Dia tsy maintsy kapaina fa manimba ny tany

Ka ny teniko farany hanampy izany
Dia tandremonareo ry mpanjanatany
Fa ireo Saribakoly izay fiasanareo
Dia tsy maintsy ho potehina fa mankaleo

Na iza tsy tia na iza hangarika
Ny MALAGASY dia tsy mandohalika
Fa tsy maintsy mitraka hatramin’ny farany
Ka ny Imperialista dia hatreo ny tantarany.

Nosoratan’i Beragil Narison -1947
Natolotr’i Rary mars 2017. Iary Rary.

.

Faneva MDRM

1947 Faneva

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s