CUA-Antananarivo. Copenhague, Bruxelles, Paris. Tatitra nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana

CUA - Antananarivo.

.

Filoha Marc Ravalomanana : Teknisiana danois, tonga koa hanampy ny CUA

Ravalo Toulouse

Nanao tatitry ny diany tany ivelany omaly zoma (31/03/2017), ny mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Marc Ravalomanana. Paris, Bruxelles ary Copenhague no notsidihany ka nahazoany niresaka ny fampandrosoana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Tany Copenhague renivohitr’i Danemark dia nisy ny fandraisan’ny Ben’ny tanànan’i Copenhague ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana. Ny resaka fanatsaràna ny tanàna no niaraha-nidinika. Nanatrika rahateo ny fivorian’ny City 40 Ramatoa Lalao Ravalomanana. Fantatra koa fa hanome fitaovana samihafa ho an’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra ny fiadidiana ny tanànan’i Copenhague. Efa misy teknisiana danois tonga rahateo eto Antananarivo ankehitriny. Nisy ny fanolorana ilay horonan-tsary mihetsika mitantara ny fiainan’ny Filoha Ravalomanana tao aorian’ny fandehanany niala teto Madagasikara tamin’ny taona 2009. Ny fanjakana danois no niantoka ny fanatontosana izany sarimihetska izany.

Tany Frantsa indray, ankoatra ny fihaonany tamin’ireo mpila ravin’ahitra sy mpianatra tao Paris sy Toulouse, dia nihaona tamin’ny sekretera maharitry ny AIMF na Association Internationale des Maires Francophones, Pierre Baillet, ny Ben’ny Tanàna, Lalao Ravalomanana. Nisongadina nandritra ny fihaonana, ny hanomezan’ny AIMF panneaux fampahafantarana ny lot ny trano, sy ny lalana ary ny Boriborintany eto an-drenivohitra. Takela-by roa conteneurs no ho avy amin’izany. Handefa mpanolotsaina manokana ho an’ny Ben’ny Tanàna ihany koa ny AIMF, manam-pahaizana momba ny tanan-dehibe, ka ny AIMF ihany no hiantoka ny saran’izany.

Momba ny fihaonana tamin’ny RIF na ny Région Île- de-France , dia fantatra fa hanova fomba fiasa ry zareo. Ho jerena manokana ny fiaraha-miasa araka ny nambaran’ny filoha vaovao Ramatoa PECRES. Fiaraha-miasa bebe kokoa amin’ireo firenena, na tany, na Kaominina betsaka franciliens indrindra. Eto amintsika dia fantatra fa maherin’ny roa alina ny isan’ny frantsay monina eto ka ny roa ampahatelony no eto Antananarivo-Renivohitra. Tsy nandray azy ireo kosa ny AFD na dia nisy aza ny fangatahana fihaonana arak’asa.

Farany, nisy koa ny tatitra nataon’ny Lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna, Ramboasalama Emilien sy Dr. Prisca Andriantseheno, momba ny ady atao amin’ny SIDA, tany Côte-d’Ivoire. Ny Ben’ny tanànan’i Paris Anne Hidalgo no nikarakara izany. Nisy rahateo ny fanaovan-tsonia ny ANTSON’i PARIS na ny Déclaration de Paris momba ny tokony hahafantarana manontolo ny isan’ny olona voan’ny SIDA amin’ny taona 2020. Ny volana desambra ho avy izao no fihaonana manaraka any Paris ary manasa manokana an-dramatoa Lalao Ravalomanana izay Ben’ny tanàna vehivavy voalohany teto Antananarivo, Ramatoa Anne Hidalgo Ben’ny tanàna vehivavy faha-15 ao Paris Frantsa.

Isambilo
– http://gvalosoa.com

Madagasikara Malalako.
.

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s