Ivato-Seranana. Karana vavy tratra nitondra volamena. Nihetsika ny Fanjakana !

.
Lionnel Lambosoa. 2/04/2017. 

Ahoana koa ity ?? efa anjato taonina ny volamena tafavoaka ee! Efa fanao io fa misaotra ireo tompon’andraikitra .

 .

Volamena tratra teny Ivato : An’ilay fianakaviana karana   « Kalidas »

Tovovavy iray antsoina hoe Anita, ao anatin’ny fianakaviana karana fanta-daza amin’ny fandraharahana volamena eto Madagasikara ny iray amin’ireo tovovavy nitondra an-tsokosoko volamena teny Ivato ny talata antoandro teo. Ao anatin’ ny « Famille Kalidas » i Anita. Manana toeram-pivarotana volamena maro eto amitsika io « famille Kalidas » io, toa ny eto Antananarivo, any Ambanja sy Diego ary any Mahajanga sy Toamasina.

Toa endrika entina hanakonana ny trafika ataony fotsiny anefa ireo fivarotana ireo. Porofon’izany izao fahatrarana volamena noentin’ny fianakaviany izao. Volamena milanja 2 , 240 kilao no tra-tehaka tany amin’ireo karana roa vavy ireo.

Ny tena loza moa dia tany amin’ny faritry ny taovam-pananahana no nanafenana an’ireo volamena ireo saingy tra-tehaka ihany. Fatra-panaja an’izany faritra fady amin’ ny vehivavy izany anefa ny karana, ka sarotra inoana raha handeha hivazivazy amin’izany. Efa tafahoatra mihitsy noho izany ity paikady nanaovan ‘izy ireo ny trafika ity, fa dia tsy nijery ny lafin’ny « fady » sy ny tsy « fanao » mihitsy.

Saika hoentina any Mumbai moa ireo volamena ireo ary zotra Air Mauritius no nandehanany. Efa fanta-daza loatra amin’ny trafika izay hataony anefa ireto karana ireto ka dia maro ny tsara sitrapo nanome vaovao ny zandarimariam-pirenena, ka na nafenina hatrany anaty « lavaka » faran’izay tsy eritreretina aza dia hita ihany.

Porofo mitohoka amin’ny tendany izao fa tsy miafina ny mpanao trafikam-bolamena eto amintsika. Any amin’ireo tompon’andraiki-panjakana miady amin’ny trafika maloto isan-karazany toa ny Samifin, Bianco , Fitsarana, … ny baolina. Ny angom-baovao natao no nahalalana fa hahalalana zava-marina maromaro hafa ny firosoana lalindalina amin’ity raharaha ity. Fanambin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina rahateo ny famongorona an’itony zatra manao ny lalan-dririna amin’ny fitsetsefana ny harem-pirenena sy mpanao trafika itony, ka izao nahitam-bokany izao. Tsy tokony ho afa-maina ny mpanao ratsy amin’ity firenena ity!

Tojo Ramilianta. Triatra.

.

Seranana Ivato : Volamena roa kilao natao tanaty fivaviana tsy hitan’ny “scanner”

 Ny fisavàna nataon’ny olon’ny borigady misahana ny fiarovana ny seranam-piaramanidina no nahatratrarana ny zava-nitranga. Teratany indopakistanaise roa vavy, izay efa afaka tamin’ny fisavana voalohany, izay marihina ihany fa misy ny fitiliana avy amin’ny alàlan’ny “scanner”sy ny fitaovana samihafa ary olombelona maro mijirika, no mbola tafiditra teny amin’ny araben’ny seranam-piaramanidina ihany.

Efa saika hiodrana ao anaty fiaramanidina izy ireo no nataon’ny zandary fisavàna farany. Izany dia noho ny fiahiahiana azy ireo ho nitondra volamena, araka ny vaovao efa azon’ireo mpitandro ny filaminana mialoha. Tsy hita mivantàna tamin’ny fijirihana ivelany ireo volamena. Voatery nentina tao amin’ny biraon’ny zandary, ary ireo mpitandro ny filaminana vehivavy no nanao ny fisavana akaiky.

Tsikaritra tamin’izany fa tao anatin’ny fivaviany ny an’ny iray ary tao amin’ny fandehanan’ny maloto kosa ny an’ny faharoa. Ny totalin’ny volamena nafenina dia roa kilao.

Nampahafantatra ny zava-nitranga tamin’ny mpanao gazety omaly ny teo anivon’ny fari-piadidian’ny zandary eto Analamanga. “Ny talata no saika hiondrana amin’ny zotran’ny kaompania Air Mauritius ireo mpanondrana. Niantso ny ladoany, ny ACM, ny pôlisy ary ny CIS ny zandary mba hanaovana fisavana eo imason’ny rehetra ireo olona (…) nanao ny ladoany saingy tsy nahita na inona na inona, nandray fepetra ny hisava lalindalina kokoa ny zandary ary dia nahomby izany satria volamena milanja 2,240 kg no sarona”, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tsikaritra ho nanisy mivantana ireo sampana hafa miandraikitra ny fiarovana eo amin’ny seranana izy ireo : “(…)efa avy nandalo ireo fitiliana hafa toy ny “scanner” sy ny fisavana hafa izay nataon’ny sampana hafa ireo olona ireo nefa tsy nahitàna na inona na inona”, raha araka ny zandary hatrany. Nomarihan’izy ireo fa efa misokatra ny fanadihadiana ary tokony ho fantatra tsy ho ela izay voakasika mivantana na an-kolaka amin’ity raharaha ity. Isan’ny niteraka resa-be tato ho ato ny fisian’ny zandary misava eo anivon’ny seranana Ivato. “Ara-dalàna tanteraka izany ary tsy misy ny fisandohana andraikitra, satria mazava ny lalàna manan-kery ao anatin’ny ‘code des douanes’ izay manamarika ny fahazoan’ny mpiasam-panjakana hafa eo anivon’ny seranam-piaramanidina manao fizahana sy fitazomana ny entana tratra. Izany dia araka ny andininy faha-267, alinéa 1”, izany dia mba hoentin’izy ireo manazava fa ara-dalàna ny asa fisavàna sy fijirihina ataony eny Ivato.

Ny momba ireo volamena nogiazana indray dia haterina eny amin’ny banky foibe anio izany rehefa voasonian’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ladoany, ny pôlisy ary ny zandary. Tsy azo sokafana intsony izany raha tsy eo imason’ireo olona rehetra nanao sonia. Ny ankoatra izay dia fandikan-dalàna tanteraka. Isan’ny tena ampiasana ny “scanner” ny fijirihina ny tsy hitan’ny mason’olombelona. Dia nandà volamena izany ireo fitaovam-pitiliana tamin’ity indray mitoraka ity…

D.R. Midi M/kara.

 –

Seranam-piaramanidina Ivato : Karana roa nitondra volamena 2,240 kilao

Karana roa vavy no nahatratrarana volamena milanja 2 kilao sy 240 grama teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny talata tolakandro lasa teo. Efa nahazoan’ny zandarimariam-pirenena miasa eny an-toerana vaovao  marim-pototra dieny mialoha tamin’ny olona tsara sitrapo ny fisian’ireo olona mpanao trafikana volamena ireo. Saika hiondrana any Mumbai , niaraka tamin’io harem-pirenena io , tamin’ny alalan’ny sidina Air Mauritius izy roa ireto no sarona,  raha iny handeha hiakatra ny fiaramanidina iny. Tsy niaraka ireto teratany vahiny ireto  fa nifanao aloha sy aoriana,  ka nasain’ireo tompon’andraikitra niandry ny namany ilay vehivavy lasa aloha, rehefa tonga teo amin’ny toeram-pisavana iray. Rehefa izany dia  niroso tamin’ny  fisavana azy ireo sy ny entana noentiny  ny mpiasan’ny ladoany,  izay natrehan’ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana miasa any an-toerana. Tsy nahita na inona na inona anefa ity farany ka niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fanaovana izany indray avy eo  ny zandary vehivavy miasa eny Ivato.

Tamin’izany no nahitana ireo volamena milanja 2 kilao mahery ireo, tany amin’ny faritra mahavehivavy an’ireto teratany  vahiny ireto.  Nasitrik’izy ireo tao anatin’irony “serviette hygiénique”, fampiasan’ny vehivavy irony ireo harem-pirenena ireo, ka izay no antony tsy nahatratrarana izany, na dia efa nandalo ireo fisavana maro toa ny fitaovana fitarafana azy izy ireto.  Notazomina avy hatrany ireto farany nanaovana famotorana. Ny vaovao voarain’ireo zandary, izay voalaza fa tsy honohono intsony, momba io fikasana hanao trafikana volamena io no nahatonga ireo manam-pahefana niditra tamin’ny lalindalina kokoa ny fisavana, izay tsy namelan’izy ireo raha tsy nahitana mangirana. Efa betsaka ireo olona tratra, na teratany malagasy io na vahiny, tamin’ity resaka fanondranana volamena ity. Mbola maro ihany koa anefa no mahasahy manao izany na dia efa nampahafantarina ny rehetra aza ny sazy miandry ireo mpanondrana harem-pirenena ireo. Amin’ireo asa ratsy rehetra dia anisan’ny tsy handeferan’ny fitondram-panjakana mihitsy ny fanodinkodinana na fanondranana ireo zavatra heverina fa mampiavaka an’i Madagasikara, toa ny volamena sy  ny sokatra izay tena lasibatra. Atolotra ny banky foibe anio ireo volamena 2 kilao mahery ireo, ary misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity

Mialy R. Triatra.

Lire :

Trafic d’or et blanchiment d’argent à Madagascar. Dubai, Maurice, Mayotte, Chine, Inde…

Publié le

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s