Raharaha Claudine Razaimamonjy, fanazavan’ny Jeneraly Arthur Ratovoson « Mahaleo tena izahay » (Bianco).

4 avr. 2017
Nihaona tamin’ny mpanao gazety androany ny talem-paritry ny birao mahaleto tena miady amin’ny kolikoly na ny BIANCO. Raharaham-panjakana sy resaka fandraharahana mampiahiahy, ary efa mahatratra amina miliara maro, no hanaovana fanadihadiana an-drtoa Razaimamonjy Claudine. (Matvonline).

Rivo Albert 6/04/2017

Io ary fa mandeha amin’izay ny tsindry bokotra

Nikoropaka tanteraka ry zareo mpitarika ny HVM sy ny praiminisitra Mahafaly omaly mikasika ny raharahan’i Claudine A&C. Tsy zakan’izy ireo mihitsy ny mieritreritra fa mihidy ao amin’ny Bianco eny Ambohibao eny ny naman’izy ireo tsy maty manota ary anisan’ny mpamatsy vola lehibe an’ireo mpitondra HVM tao anatin’izao fitondrana Rajao izao.

Nantsoina teny Mahazoarivo mihitsy ny mpisolovavan’i Claudine sy ny ministry ny fitsarana. Amin’ny 10h30 alina amin’izay no niantso mpanao gazety ny seraseran’ny prezidansa fa hoe hanao « conférence de presse » ny minisitry ny fitsarana momba ity raharaha ity. Inona avy eo no nambaran’ny minisitra: « tokony havotsotra i Claudine Razaimamonjy satria efa feno 48 ora ny fotoana nisamborana azy ».

Teto amin’ity Madagasikara ity mbola nisy hoe olona iray voatazona eny amin’ny Bianco, na eny amin’ny zandary sy polisy ka ny ministry ny fitsarana mihitsy no manao « conference de presse » amin’ny 11 alina mitaky ny tokony hamotsorana azy. Satria ve i Claudine no resaka eto dia ny Governemanta sy ny HVM mihitsy no miditra an-tsehatra ary manao tsindry bokotra.

Mba firy isan’andro moa ny olona hiharan’ny rariny rehefa tazonin’ny zandary sy ny polisy, maninona koa no tsy miditra an-tsehatra mihitsy ny HVM sy ny governemanta? Zany ry Mahafaly Olivier ilay hoe « gouvernement de combat » hiady amin’ny kolikoly? raha mpanao politika iray mpanohitra ny fanjakana ve no voatazona eny amin’ny Bianco tahaka izao dia hilaza ny minisitry ny fitsarana hoe havotsory izy fa efa dila ny 48 ora? Tokony hahay handinika tsara isika Malagasy fa tena tsy izy mihitsy ireto mpitondra HVM ireto

Claudine tsindry

Claudine Fitsarana

Hery Ramaherison. 6/04/2017.

Fanjakan’i BAROA ity marina!!!

FITSARAM-BAHOAKA … VAHOAKA IZA ?

Dia izay izany no VALAN-DRESAKA nataon’i Ministry ny Fitsarana, ANDRIAMISEZA Charles, (faha-6 aprily 2017, 00H45) :
Manoloana ny FITSARAM-BAHOAKA mananontanona mikasika ny « Raharaha Razaimamonjy Claudine », dia tokony havotsotra aloha i RAZAIMAMONJY Claudine.

Tapaka teo amin’ny hoe « Tsy hainao mihitsy ny Secret d’enquête. Tsy hainao mihi … » ilay VALAN-DRESAKA !

Fa mamerina hatrany izahay :
Ity Fitsaràna mandika ny Lalampanorenana ity ve azo atokisana ?

« Tanindrazana – Fahafahana – Fandrosoana » moa ?

Fitsarana Claudine

Manohana adverseran-dRajao Nosamborina i Claudine

04/04/2017

Ny tantara dia mbola mitohy ! Nosamborin’ny Birao Mahaleotena miady amin’ny kolikoly teny Mahamasina omaly tolakandro Razaimamonjy Claudine, ilay mpandraharaha vavy tompon’ny hotely A&C eny Ivato ary malaza ho olona akaiky ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Avy nijery baolina baskety, nanotrona ny ekipany TMBB tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena izy no nandrasan’ny olon’ny Bianco nampian’ny zandary teo ivelany. Somary nampiaka-peo ihany ramatoa, saingy efa nivonona tamin’ny zava-drehetra koa ireo mpamita iraka. Nampidirina tao anaty 4×4 izy ary nentina avy hatrany nihazo an’Ambohibao misy ny foiben-toeran’ny Bianco hatao famotorana. Ny loharanom-baovao iray no milaza fa tohin’ny raharaha Ambohimahamasina, kaominina ambanivolo any Ambalavao Tsienimparihy nisian’ny famindrana volam-bahoaka ho amina kaontin’olon-tsotra tamin’ny fomba tsy mazava no antony, izay efa niantsoana azy teny amin’ny Bianco hatao famotorana niaraka tamin’ireo Ben’ny tanàna roa lahy sy Tale iray ao amin’ny minisiteran’ny Atitany saingy tsy nipoitra izy. Navotsotra ihany koa moa ireto farany rehefa tonga teny amin’ny Fitsarana ny raharaha. Tena izy sa sinema ity fisamborana ity ?

Betsaka no midera ny fahasahian’ny Bianco mampiseho fa misy finiavana hamongotra ny kolikoly ataony. Tsy vitsy koa anefa no mametra-panontaniana hoe : kisendrasendra sa nokajiana ho tamin’izao fotoana izao mihitsy ity fisamborana an-dRazaimamonjy Claudine ity mba hanodinana ny saim-bahoaka, manoloana fiakaran’ny feo taorian’ny fampiatoana nisesy Ben’ny tanàna tsy miara-dia amin’ny fanjakana toy ny tao Port-Bergé, Mahajanga sy Toamasina.

Teo koa ny raharaha Antsakabary, manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana sy ny fitsaram-bahoaka, ary koa ny fidangan’ny vidim-piainana. Sa tena izy, mba hanaovana pi-maso amin’ireo mpamatsy vola, hivoahan’ilay volabe 10 miliara dolara nanaovana laza masaka hatramin’ny desambra 2016, nefa hatramin’izao tsy hita hantenaina, nefa tsy very hafoy ? Loharanom-baovao hafa koa no mitatitra fa mikasa hanohana kandida hafa hifaninana amin’i Hery Rajaonarimampianina ity mpandraharaha ity amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ka dia faizina. Tompon’andraiki-panjakana ambony maro no hisaringotra amin’ity raharaha ity, raha mandeha tsy misy teritery tokoa ny famotorana, ary mety ho io no lalana hanesorana amin’ny toerany ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, izay efa hirahirain’ny zanak’i Sofia rahateo. Vao voasambotra moa i Claudine Razaimamonjy omaly hariva dia nanapa-kevitra ny hanidy tanteraka ny hotely A&C teny Ivato ny mpitantana tao, noho ny tahotra sao misy mandroba »

Jean D. TiaTanindrazana.

Claudine Razaimamonjy ne portera pas le chapeau toute seule, elle citera des noms…

Le Directeur territorial du Bureau indépendant anti-corruption en charge de la province d’Antananarivo, le général Ratovoson Benjamina ne plaisante pas. Pour ce gradé de l’armée malgache, personne n’est au-dessus de la loi…Impliquée dans des détournements de plusieurs milliards d’Ariary, Claudine Razaimamonjy va devoir s’expliquer devant les enquêteurs et on imagine mal qu’elle acceptera de porter seule le chapeau. Elle citera certainement des noms, des noms et des noms pour atteindre on ne sait qui, la suite nous le dira….

Bianco Rakoto Tatou

Rakoto Tatou. 6/04/2017

À la lumière de ces articles, le bianco n’a pas d’instance hiérarchique… Donc, personne n’a le droit de s’intérferer dans ses enquêtes, même le PRM… Dont acte.

FANAMBARANA: Ny SENDIKA NY MPITSARA ETO MADAGASIKARA (SMM)

 7/04/2017.

FANAMBARANA

Ny SENDIKA NY MPITSARA ETO MADAGASIKARA (SMM) dia manao izao fanambarana izao fa amin’ny maha tany tan-dàlana an’i Madagasikara, dia :

– Mitaky izahay ny fampiharana ny làlana 2004-030 nivoaka ny 09 septambra 2004 mikasika ny BIANCO, nasiam-panovana araka ny làlana 2016-022, izay miantoka ny fahaleovan-tenany tanteraka; mametraka ny tsy fitsabatsabahan’ny Fahefana Mpanantanteraka sy ny Fitsarana raha mbola eny anivon’ny fanadihadiana sy famotorana eny amin’io Sampan-draharaha io ny raharaha;
Noho izany tsy ekenay mba ho fampiharana io làlana io ny fitsabahana na iza na iza amin’io raharaha io fa aoka avela hiasa malalaka ny mpanao famotorana.

Satria, tsy mbola mahakasika ny Fitsarana ny raharaha ankehitriny, dia tandrovinay SMM izay tsy fitsabahana sy faneriterena ary ny tsindry rehetra amin’ny fotoana mety hahatongavan’io raharaha io ety amin’ny Fitsarana. Izahay dia hanara-maso akaiky izany.

– Tsy ekenay ny herisetra amin’ny endriny rehetra atao amin’ny Mpiasam-panjakana sy ny biraom-panjakana;

– Tsy manaiky lembenana amin’ny fanorohorona sy tsindry isan-karazany na avy amin’iza na avy amin’iza;

– Mamerina hatrany ny fametrahana ny fahaleovan-tena ny Fitsarana ary manameloka ny fomba rehetra atao hanohitohinana izany;

– Mamerina ihany koa ny maha tany tan-dàlana ny Firenena Malagasy araka ny ambetin-tenin’ny Filohan’ny Repoblika;

– Manamafy fa araka ny didy aman-dàlana dia tsy tokony hitsabahana ny raharaham-pitsarana ary tokony hajaina mandrakariva ny Làlam-panorenana sy ireo làlana manan-kery rehetra;

– Manamarika ny SMM fa ny endrika fitsabahana amin’ny famotorana toy izao atao amin’ny BIANCO izao dia toherinay.

– Rehefa ho tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha dia hanara-maso akaiky ny fizotrany ny SMM.

– Raha nanao iny fanambarana iny ny Ministra dia ny heviny no nambarany fa tsy hevitrin’ny Mpitsara Malagasy;

Noho izany, miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra mba ho tony izahay Mpitsara mivondrona ato amin’ny Sendika.

Mankahery ny Mpitsara rehetra sy ny Tompon’andraikitra mpampihatra làlana rehetra ary mamporisika hatrany ny handraisan’izy ireo ny andraikitra izay napetraky ny làlana aminy: Mpitandro ny Filaminana ao anatin’izany.

Manohana tanteraka ny ezaka rehetra nataon’ny Tompon’andraikitra ny BIANCO amin’ny fametrahana ny tany tan-dàlana.

Miantso sahady ireo Mpitsara fa hisy fivoriambe tsy ara-potoana izay hatao .

Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray fepetra hanajanonana ny firongatry ny “vindictes populaires”izay mahazo vahana eto amin’ny firenena;

Misaotra indrindra.

Ny Birao

.
Mpitsara Fanambarana

Madagasikara Malalako.

Lire.

Fisamborana. Rtoa Claudine Razaimamonjy, 3/04/2017. Arrestation pour détournement de fonds.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s