CUA-Antananarivo, 6/04/2017. Nivory ireo Ben’ny Tanana antana-dehibe eto Madagasikara.

 

Couverture CUA

FIKAMBANAN’NY BEN’NY TANANA ANTANA-DEHIBE ETO MADAGASIKARANivory tsy ara-potoana omaly ireo mpikambanan’ny Ben’ny tanana andrenivohitra eto madagasikara tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina An-koatra ny Ben’ny Tananan’ny Fianarantsoa sy Ste Marie kanefa nisy solontenany nalefany sy fialatsiny amin’ny tsy fahatongavany. Ny olana izay mianjady an’ireo Ben’ny Tanàna ,mikasika ny fampihatoana ny asan’izy ireo no nodinihana nandritra io fioriana io. Raha ny lalana velona ihany koa no nodinihan’izy ireo dia fantatra fa ny mpanolontsaina Monisipaly dia tsy afaka mampihato ny Ben’ny Tanana ,fa ny fangatahana no azony atao ary tokony ho mari-pototra sy ara-dalana .


Araka izany dia nisy ny fanambarana niraisan’izy ireo ,izay navoaka tamin’ny mpanao gazety .Ka nilaza rehefa nifampidinika izy ireo dia mitovy ny olana sedraina dia mifototra amin’ny mpanolontsaina Monisipaly, izay tsy mahalala ny anjara asany sy ny andraikitry ny Mpanolontsaina.


Ny lalàna fototra amin’ny fifidianana ny Ben’ny Tanàna no miteraka olana eran’ny Madagasikara. Ohatra amin’izany ny fisian’ny mpifaninana tsy lany nefa lasa Mpanolontsaina ka lasa maminganan’ny Ben’ny Tanana izay olona nofidin’ny Vahoaka.
Ny an-kamaroan’ny Ben’ny Tanana dia tsy manana maro an’isa eo anivon’ny Mpanolontsaina ary eto Madagasikara irery ihany no misy an’izany lalàna izany , noho izany hangatahana ny fanovàna ireo lalàna ireo mba hisian’ny fitoniana sy fampandrosoana marina eo anivon’ny kaominina eto Madagasikara.


Raha tsy mahomby ny fangatahana na ny fampihatoana izay ataon’ny Mpanolontsaina ny Ben’ny Tanàna dia tokony hisy ny sazy ampiarina amin’ireo Mpanolontsaina ireo. Ka ny soso-kevitry ny Ben’ny Tanàna dia ny fampakarana ny lisitra faharoa eo amin’ny lisitra ny Mpanolontsaina. Nny zava-misy dia tsy mifidy Mpanolontsaina ny Vahoaka fa mifidy Ben’ny Tanàna .
Mangataka fihaonana amin’ny Filoha-pirenena sy ny Praiministra koa izy ireo ,mba hitenenany fa tsy fahavalo akory ny Ben’ny Tanàna fa olona afaka hifanampy aminy, amin’ny fampandrosoana an’I Madagasikara.

CUA serasera. 7/04/2017.

Ben'ny tanana nivory1

Ben'ny tanana nivory2

Arp Helisoa

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s