« Nankaiza i Nenitoa…? », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

.

NANKAIZA I NENITOA…?

 

aoka aloha hazava ity andriamatoa isany
raha izao no zava-misy, ho avy izahay hitrifana
hita ny efa helony …kanefa hampandosirina
efa loha bontolo mihitsy ity atiritiriny

aiza koa efa traingo tamin’ny resa-kolikoly
miliara maro io ry nama ndrao matory
Mantsy hono narary…? niraikitra ny lelany…?
avoaka mangingina…aondrana any ivelany

izao zava-misy izao aloha mazava tsy tsilovina
ny ngetroka mpangalatra kenaina sy tsinjovina
ataovy voasaringotra ohatr’izao ange ialahy
tsy ampy iray andro ialahy dia efa eny Tsiafahy

raha ny fara-takatry ny zana-betrokeliko…
eny am-ponja ihany no sahaza rehefa meloka
kanefa toa tsy izany, idray hodiana fanina
dia eto isika jiaby, samy valalanina…

raha hendry izao ianareo, ampodio malaky
fa teto tsisy dizina na mamon’ny paraky
efa tsara hazona… niniana novotsorana
henjeho ry « bianco » ireo deban’ ny fanorana

raha ohatr’izao hatrany dia aza gaga loatra
fa hisy foana hisy ny fitsaram-bahoaka

NARY (Mamitiana Randrianarison)
11/04/2017

clo la fuite2

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s