« Ny Andriamaniny », Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà).

 

 

NY ANDRIAMANINY

nantenainao ny andriamaniny
hitondra soa ho anao
hoe tsy izy indray ny antsika
lazaina izao sy izao
ka navela noentin-driaka

nandrandrainao ny andriamaniny
mampanantena paradisa
rahatrizay hoe any ankoatra
hoe ahi-maitso sy ny sisa
ary fiainana mivoatra

nolazainao ny andriamaniny
fa Zanahary be fitia…
loharanon’ny fihavanana
tsy manary izay nania
ka ny an-drazanao katsanana

nandrandrainao ny andriamaniny
mba hitondra fahagagàna
sy herin-tsaina ho enti-mioitra
hay vao miha ny fahantrana
ara-panahy no izao mivoitra

nantenainao ny andriamaniny
ho andriamanitra afa-hasolo
ilay nambaranao mahavery
nandoroana izao tontolo…
am-bazaha no indray haely

eny…

nofoananao ny anao
ho toeran’ny andriamaniny
aza gaga izao ianao…
fa gasikaranao hoe taniny

NARY (Mamitiana Randrianarison)
Alahady 09 aprily 2017
#mpisoron‘Ikelimalaza

.

Zanahary

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s