Riana Andriamandavy VII, fandikana lalàna sy herisetra.

Riana Andriamandavy VII Hanara-dia an’i Lylison ?

11/04/2017

Mivoaka tsikelikely ny fanamelohana ny fihetsika mamoafady nataon’ny loholona Riana Andriamandavy VII, izay nitarika olona mpikarama an’ady sy nanakorontana tamin’ny alalan’ny fitoraham-bato sy fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana teny amin’ny Bianco ny herinandro teo.

Anisan’ny nitondra ny heviny ny tonian’ny mpampanoa lalàna ambony, Randrianasolo Jacques fa tokony hisy ny fandraisana andraikitra manoloana ireny toe-javatra mamohehitra ireny. Raha haravona ny fanehoan-keviny, dia tsy mendrika amin’ny maha loholona, izay tokony ho fakan-tahaka ireny zava-nisy ireny.

Nanamafy ny tsy fankasitrahana ilay fihetsika mamoafady koa ny Sendikan’ny Mpitsara, ary handray andraikitra. Inoana fa tsy maintsy hijinja ny valin’ny fandikan-dalàna sy ny fihoaram-pefy nataony ity loholona ity, izay heverina fa mety hanao fitaovana ny zo tsy azo henjehina manoloana ireny heloka efa hitam-poko hitam-pirenena ireny. Andrasana ny fanenjehana azy tahaka ny natao an’i Lylison, nitarika hetsika tsy nahazoana alalana sy tanàna maty. Tsy tanteraka akory anefa ny an’ity kolonely ity.

Niarahan’ny rehetra nahita kosa ny an’i Riana Andriamandavy VII, ka andrasana ny fampiaharana ny lalàna aminy. Mety hijoro hiaro ny tsy ara-dalàna ihany koa ny mpikamban’ny HVM, izay fatra-piaro ireo olona efa hita izao fa mpandika lalàna sy tsy mihevi-tena ho tsy maty manota.

Toky R. TiaTanindrazana.

Jean-Luce Randriamihoatra. 12/04/2017.

#Fitsarambahoaka #Kolikoly
ZANAK’I FIANARANTSOA

Efa notaterinay teto ihany izy ity tamin’ny faran’ny taona 2016, fotoana nandalovanay sy nitafatafanay tamin’ny Mponin’i Fianarantsoa nandritra ny herinandro be izao.

Diso ary fandranitana korontana ny fanehoana fa mankasitraka an’ity Fitondrana ankehitriny ity ny ao Fianarantsoa.

Izy ireo aza no lasa saina :
« Rahoviana ianareo ao Antananarivo ao no hihetsika » ?

Fa raha hoy ny Mpampanoa Lalàna :
« AZO samborina ny Loholona ANDRIAMANDAVY Riana »

Izahay kosa miteny hoe :

« TSY MAINTSY samborina io Loholona io »

Rasaona Filolahy  12/04/2017. FB.

Senateur RIANA ANDRIAMANDAVY VII

Ho raharaha ny hanjo anao rangah ty …

●Mi – recruté gros bras mba hotarihina hamotika biraom-panjakana . Hikomy

●Nitoraka sy namotika tranom-panjakana miaraka amin’ireo gros bras

●IRAY petsapetsa ka nampandositra ,sy nitondra nandositra olona IST ho atao Famotorana (mbola tsy voaheloka)

●Nitaona olona hikomy amin’ny Andrim-panjakana.

●Fanodikodinam-bolam-panjakana .

ASA NA MBOLA HO SAHY HIVERINA ETO MADAGASIKARA HIANAO RANGAH TY

.

Sénat : Des mesures à l’encontre de Riana Andriamandavy

La Chambre haute a réagi face aux agissements de l’un de ses membres. Il s’agit notamment du sénateur Riana Andriamandavy VII. Ce dernier avait, en effet, forcé le portail du Bianco le 5 avril dernier, mais il a été refoulé. Le lendemain il est revenu à Ambohibao, mais cette fois-ci accompagné de gros bras qui ont caillassé le même portail. Le Sénat condamne ainsi le comportement de Riana Andriamandavy qui équivaut à une entrave au bon fonctionnement de la Justice. Des mesures seront ainsi prises à l’encontre de ce sénateur. Toujours d’après cette Institution, ce beau-frère de Claudine Razaimamonjy est pris en flagant délit. De ce fait, il pourrait être jugé par une Cour correctionnelle.

Recueillis par Dominique R.

Riana2

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s